Tia An'Andriamanitra sy ny namana no maha- Kristiana
Ho an’iza no hanomezantsika ny tenantsika? Ho amin’ny inona no himatimatesantsika? Ho an’ilay “nanala antsika tamin’ny haizina ho amin’ny Fanjakan’ny Zanany Malalany” ve? (Kol 1, 13) Sa ho an’izay zava-mandalo tsy holovantsika avy? ( Izany no nifampizarantsika tamin’ny alahady faha-29 A : hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany. Eo ampanohizana ny famakiana ny toko 22 amin’ny Evanjelin’i Matio (Matio 22, 34-40)[1] dia ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ao amin’ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.
Lalàm-piainantsika ny ho tia an’Andriamanitra, ary ny voalohan’ny Didy dia ny mitia Azy amin’ny fo tsy miefitrefitra, amin’ny fanahy tsy voazarazara, ary amin’ny saina mahitsy sy tsy misy am-badika. Midika izany, fa tsy tokony hisy fetra ny Fitiavana an’Andriamanitra ary tsy misy afaka hilaza fa nitia diso tafahoatra. Izay no “zokiny indrindra” amin’ny Didy.
Ny Mpaminany kosa, dia ny fifandraisantsika amin’ny olombelona namantsika, izay tokony ho tiana tahaka ny tena, ny fetran’ny fitiava-namana araka izany dia ny fitiavana ny tena, izany hoe : tsy maka ny toeran’Andriamanitra araka izany ny hafa fa tiavina kosa sy tompoina. “Izay tianareo atao aminareo no ataony amin’ny hafa koa” (Lk 6, 31).
Ny Didy Vaovao nomen’i Kristy ny Mpianany, dia ny hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika (Jn 13, 34). Tsy mihanona amin’ny fetran’ny tena araka izany ny fitiava-namana kristiania fa fakan-tahaka an’i Kristy, izay no fahafahana hitia hatramin’ny fahavalo, hanao soa ho an’ny mpankahala, hivavaka ho an’ny mpanenjika… (Mt 5, 44)
Tsy hionona amin’ny fahendren-drazana izay mety ho fitsinjovana ny tombontsoa manokana fotsiny izany, (“Efa renareo fa voalaza hoe” (Mt 5) ), ary mety ho fialana amin’ny sampy (na zavatra na hevitra na izay mety noheverina ho fahendrena) izay nifikirana sy noheverina hahazoana ny famonjena (1 Tes 1, 5-10) fa ho fitiavana hanome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka hifampitsinjo, hahatsiaro mandrakariva fa endrik’Andriamanitra ny olombelona, tian’Andriamanitra ka tokony ho tiavintsika koa. Izany no hahafahana manao soa amin’ireo izay niangaran’ny vintana, ny vahiny sy ny fadiranovana (Eks 22, 21-27) ka hahatonga antsika ho “mpaneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa” tahaka ny nolazain’i Md Augustin hoe : amin’ny fifankatiavana no hahitana ny endrik’Andriamanitra Trinite Fitiavana, ary “Fitiavana iray ihany no enti-manatanteraka ny didim-pitiavana : hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana”
Raha Andriamanitra tokoa manko no ampinga sy famonjena mahery (Sal 17) fa tsy ny vola aman-karena na ny fahendrena amam-pahaizana, dia tsy ho sarotra ho antsika ny hahatsapa fa ny fitiavana azy no “zokiny indrindra” amin’ny didy, satria noho izay fitiavana azy izay no hitondrana ny fiainana.
Tsaroantsika mandrakariva ny fampianaran’i Md Augustin momba izany fitiavana izany : “Inona no mampiavaka ny zanak’Andriamanitra sy ny zanaky ny demony? Samy manao famantaran’ny hazofijaliana amin’ny anaran’i Kristy, samy mahay mamaly Amen, samy mihira aleloia, mety ho samy vita batemy samy miditra am-piangonana, fa ny mampiavaka azy dia ny fitiavana mameno ny fony : izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra” (1 Jn 4, 7).
"Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao".
[1] Tsara homarihana fa eo anelanelan’ny Evanjely anio sy ny tamin’ny heriny dia misy ny Mt 22, 22-33, izay mitantara ny momba ny fitsanganan-ko velona, “Ho vadin’iza ravehivavy?” Raha tsy mino ny fiainan-ko avy isika na raha sanatria ka tsy misy ny fitsanganan-ko velona, hoy i Md Paoly dia isika no ho fara-fahoriana indrindra amin’ny olona rehetra (I Kor 15, 19)