I Kristy no loharano velona
Eo am-pamakivakiana ny karemy, lalam-pibebahana isika dia mahatsiaro fa tsy zavatra mandeha ho azy akory izany. Mety handalo ny tany hefitra, mangetana sy tsy misy rano isika, himenomenona fa toa manadino antsika vahoakany Andriamanitra. Ny fanontaniana nianjady amin'ny vahoaka Israely (Eks 17, 3-7), mametra-panontaniana ny amin'ny fisian'Andriamanitra dia fahenontsika matetika : "Mba misy ve izao Andriamanitra izao? Nahoana no avelany hijaly ny tsy manantsiny?" (Sal 76) Fitenintsika koa anefa ny hoe "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa handriko ihany", saingy mifono ozona sy fianstoana valifaty amin'ny anaran'Andriamanitra.
Ny Salamo setriny (Sal 94) anefa milaza amintsika fa ny "fihainoantsika ny teniny" no hahafahantsika manohy ny fiderana Azy. Tsy hanamafy fo fa hahatsapa ny fitiavany, izay nentiny namonjeny antsika "fony isika mbola mpanota" (Vakiteny II Rm 5, 1-2, 5-8).
Ao amin'ny Evanjely anefa dia miha-mazava ny fomba hihainoana iznay teniny izany : ilay vehivavy samaritana tojo an'i Jesoa teo am-pantsakana dia nihaino azy tokoa, nihaino ny fangatahan'i Jesoa : "Omeo rano aho hosotroiko" (Jn 5, 2-42) dia ho tsapantsika fa tsy hisy vokany izany fihainoana ny teniny izany raha tsy mahakasika ny fiainana. Ny fanazavana nataon'i Jesoa momba ny fanomezan'ny Ray, dia novalian'ilay vehivavy amin'ny zavatra mikasika an'i Abrahama. Saingy rehefa ny fiainany no voakasika : "marina ny filazanao fa tsy manam-bady ianao…" dia tsapany ny maha-mpaminany an'i Jesoa ka hahafahany mangataka ilay "rano velona hiboiboika ho tonga fiainana tsy manam-pahataperana".
Ny fifadfian-kanina (Alahady I), ny vavaka (alahady II) izay hiainoantsika an'i Kristy ilay mandavorary sy Lalàna sy ny Mpaminany dia manampy anstika kosa hampifanatrika ny fiainana amin'ny tenin'Andriamanitra. Tsy ho zary fitaovana hanamarinan-tena na sanatria hanamelohana ny hafa anie ny Tenin'Andriamanitra fa ho zary vimiaina ho entina mamakivaky ny Fiainana, ka hahafahantsika milaza ihany koa toa ny samaritanina hoe : tsy ny teninao intsony no hinoanay an'i Jesoa fa izahay mihintsy no nihaona aminy, satria "nolazainy ahy avokoa izay nataoko rehetra", eny nohazavain'ny Teniny ny Fiainako, ka na fiainana mahamenatra ny fiaraha-monina aza (manambady in-dimy) dia sahiko hijoroana ho vavolombelona satria izaho mpanota no novonjen'i Kristy, ka tsy hahamenatra ahy ny lasa satria vonona ny hanomboka fiainam-baovao miaraka aminy aho.
Dia izay ny Paka tiantsika hosantarina dieny izao amin'ny andavanandrom-piainantsika (Kol 3) ka iezahantsika hivelona ny Teny izay tonga nofo ka ankalazaintsika amin'ny misterin'ny Eokaristia Masina.