Mitoera re, ry Tompo ety aminay!
Fanararaotana ny fandalinana ny Taratasy Apostolika
Mane nobiscum Domine
nosoratan'ny mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II
ho an'ny taonan'ny Eokaristia
oktobra 2004-2005
"Nandray ny mofo Izy, notsofiny rano sy novakiany dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason'izy ireo ka nahalala Azy." (Evanjely) Ny misterin'ny Eokaristia dia mifono ny misterin'ny Fijalian'i Kristy sy ny Fitsanganany ho velona. Izany no Paka ankalazaintsika.
Araka ny Katesizy averimberina amintsika dia ny Eokaristia no Famantarana hita maso (sakramenta) misy ny Vatana aman-dRan'i Kristy, ka noho izany dia maneho ny fiarahany monina amintsika. Mitoetra mandrakariva eo anivontsika mandrakariva Izy, araka ny fampanantenany (Mt 28,20) ka nahoana no mbola mangataka aminy isika hoe : "mitoera re ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro"!
Ny fo mbola donton'ny zava-mitranga no maniry hitoetra amin'ny olon-tsy fantatra, fa maniry hiantsampy amin'izay "toa mamelona indray ny fanantenanana", manambony morale hoy ny fiteny! Toetrantsika olombelona izany, ary mazàna dia izay lalana izany no hanoloantsika zavatra hafa ilay Andriamanitra toa nandiso fanantenana antsika! Impiry moa ny tsy fahombiazana (tahaka ireto mpianatra tany Emaosy) no mampivily ny fontsika lavitra ny Tompo, ka hitady toky amin'ny olona sendra nandalo!
"Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany." (Rm 8, 28) I Kristy mampihiratra ny mason'izy ireo, zay tonga tsy hitany intsony dia nambabo ny fony, eny fa na dia teo aza ny zava-mampalahelo niseho tao Jerosalema! Porofon'izany ny niverenany ho any Jerosalema ihany, hitory fa nitsangana ny Tompo.
Izay
nihaona tamin'ny Tompo marina tokoa, dia terem-pitiavana hitory azy. Izay no
maha "Lamesa" ny "Soron'ny Eokaristia" : fanirahana
(misiona). Raha tsy misy ao amintsika io hafaliam-po hitory an'i kristy io[1],
dia mila kolokoloina ny fitiavantsika an'i Kristy, satria ho an'izay "tia
azy" no mahasoa ny zavatra rehetra. Ny fitiavana Azy no nidodododoan'i
Piera tany am-pasana ny marainan'ny Paka hizaha Azy, na dia nolaviny
an-kitsirano ho olon-tsy fantatra aza. Ny Fitiavana azy no nandrehitra ny fony
hitory (sady miampanga) amin'ny Jody ilay Jesoa nofantsihana tamin'ny hazon'ny
fahafaham-baraka (Vak I)
saingy natsangan'Andriamanitra ho loharanon'ny tsy fahalovana mandrakizay [2].
Atao ahoana ny mitia an'i Jesoa? Tsaroan'i Piera ny hafatry ny Tompo hoe "rehefa mibebaka ianao, dia ankaherezo ny rahalahinao" (Lk 22, 32) ka izany no ilazany antsika koa fa ny fanamafisana ny fitiavana an'i Jesoa dia ny fialana amin'ny fitondran-tena adala nentim-paharazana (Vak II), ka hiezaka hitondra tena am-pahamatorana. Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fa ankoatra ny finiavantsika hahatsiaro mandrakariva ny maha-zanak'Andriamanitra antsika dia antoka ho antsika ny Fanahy, ilay nanangana an'i Kristy ho velona.[3]
Izany no mahatonga ahy hivavaka hoe : "Tompo, ampio aho hitoetra ao aminao, satria inoako fa efa mitoetra mandrakariva eto aminay ianao"
[1] Eny fa na dia hahdehanana any
amin'ny
[2] Ny lohahevitry ny vakiteny
voalohany (Asa 2, 12-28)
sy ny salamo setriny (Sal
15[16]) dia manambara ny Eokaristia fototry ny Fiainana mandrakizay (ny tsy
fahalovana), araka ny fampanantenan'i Jesoa rahateo ho an'izay mihinana Azy (Jn 6, 48-59). Azo
aompana amin'izay ihany koa ny fifampizarana anio.
[3] Ny Fizarana ny mofo dia manambara ny
toe-tsaina hoenti-misaotra (eokaristia). Ny mofo voazara manko, izay manambara
ny fahasoavana raisintsika dia tsy hitovy na oviana na oviana, indrindra raha
tanana no izarana azy. Tsy midika ho tombom-pitiavana ho an'ny hafa araka izany
ny tsy fitoviana, fa tokony ho loharanon-kafaliana aza. Izay no hahafahana
mahazo ny lazain'i Paoly hoe "maro
samihafa ny fahasoavana, nefa ny Fanahy iray ihany" (jereo 1 Kor 12) izay
fototra sy loharanon'ny fitiavana lavorary (I Kor 13).