Alahady faha-28 Taona A Mandavantaona

Antsoin’ny Tompo hankeo amin’ny fanasany isika

Eokaristia : sakafo mampiray

Rahefa miresaka fanasana isika dia mazava loatra fa tsy maintsy misy safidy izany. Iza no hantsoina, iza no hasaina? Sao adino ny manasa an’i…! Mazàna dia ny manan-kaja sy ny manan-katao no voalohan-disitra, inona no antony? Adino ary toa odiana tsy hita ny hafatr’i Kristy manao hoe : “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.” (Lk 14,12)

Na izany aza anefa, mba hanoharan’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fanasana azon’ny saintsika takarina dia nolazainy fa voaasa ho amin’ny Fanjakan’ny Mpanjaka ireo mihevi-tena ho lohalisitra amin’ny fanasana, saingy noho ny avonavona dia niala tsiny ho manan-draharaha atao avokoa. (Evanjely Mt 22, 1-14). Tsy ho voninahitry ny Mpanjaka mpanasa anefa ny famaliana ny fanasany fa ho reharehan’izay notsongoim-bolo ho any amin’ny fanjakana.

Dia toy izany koa ny fiainantsika, “satria na tsy mila fankalazana avy aminay aza ianao dia ekenao ary sitrakao ny ankalazanay anao, tsy mampitombo ny hasinao ny fiderana atona fa manampy anay kosa hahazo ny famonjena, amin’ny alalan’i Kristy[1]. Voaantso ho amin’ny fanasana isika rehetra, tsy zo hiriariavana anefa izany fa adidy mampandinin-tena mandrakariva. Ilay akanjon’ny fampakarana (fanasana) izay noraisintsika tamin’ny batemy manko dia mila tahirizintsika mandrakariva hoenti-miseho eo amin’ny latabatry ny Mpanjaka.

Tsy azo vidiam-bola araka izany ny fanjakan’ny lanitra ary tsy maimaim-poana koa, mety hamoizana izay rehetra hananana aza mba hahazoana azy (alahady 17A). Tsy misy hireharehana na hieboheboana anefa izany. Matoa isika mahefa ny soa dia “miaraka amin’ilay mankahery antsika” (Vak II Fil 4, 12-14.19-20). Tsy azotsika hohadinoina anefa fa ilay mpiandry antsika hoy ny Salamo setriny (Sal 22) dia mitondra tsora-kazo aman-tehina: ny tsorakazo hanitsiana ny dian’izay mania, ny tehina mahafa-tahotra amin’ny fahavalo. [2]

Tsy zava-bita hifampitsarana anefa ny hazakazaka ho amin’ny fanjakan’ny lanitra, ka ho ampy ny manao soa be dia be! Tsy ny soa vita no hidirana any an-danitra fa ny faharetana amin’ny fanaovan-tsoa! Aza adinontsika ny vakiteny roa alahady lasa izay[3] , na ny Evanjelin’ireo niasa tany an-tanimboaloboka adiny iray monja. “Horovitina eo amin’ny tendrombohitry ny Tompo ny voaly manarona ny olona rehetra” (Vakiteny I Iz 25, 6-10) ka “hihanjahanja sy hiarihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra” (He 4, 13).

Ny Eokaristia no hisantarantsika sahady ny fanasan’ny zanak’ondry. Alao hery ary ny hitahiry ilay “akanjo fotsin’ny Batemintsika”, mba hahafahantsika mitoetra ao amin’ny fanasany na dia eo aza ny tsy fahamendrehana hibaboantsika ka niantsoany antsika hiombona anjara amin’ny Fanjakany. Hodinihintsika manokana ilay fitalahoan’ilay Tomponjato lazaintsika isaky ny handray komonio hoe : Tompoko, tsy mendrika ny hampiantrano anao aho, fa ny Teninao ihany no hahasitrana ny mpanomponao (Mt 8, 8).

 



[1] Prefasy andavanandro faha IV

[2] Jereo ny alahady fankalazana ny Mpiandry ondry tsara (jereo eto) manazava io ny naoty 4

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.035