Alahady faha-27 Taona A Mandavantaona

Tsy voatokana ho an’ny olomboatsongo ny Fanjakan’ny lanitra!

 

Voairaka hiasa ho eny an-tanim-boaloboka isika. Tsy ny halavan’ny votoana hiasana na ny fiaretana ny hafanana sy ny harerahana no inona, (alahady 25 A) na ny fisehoana ivelany ho mpanaiky ihany (alahady 26A), fa ny fahatsiarovan-tena amin’izay iraka nampanaovina : hanome vokatra ara-potoana.

 

Tsy mba zo hireharehaana manko ny maha-tanimboaloboky ny Tompo, ny maha-Zanak’Andriamanitra dia tsy zo ireharehana ihany fa adidy hitondràna tena araka ny mety koa. Israely, ilay Tanim-boaloboky ny Tompo, tandindon’ny Fiangonana, dia nolazain’ny Faminanian’Izaia (Iz 5, 1-7) fa “hialan’ny tana-maherin’Izy Tompo” satria tsy namokatra arak any nantenainy.

 

Tsy hoe famaliam-paty tsy akory, sanatria, na hoe Andriamanitra mila vaniny ny Andriamanitsika.

Nianarana tamin’ny Katesizikely fahiny ny antony naharian’Andriamanitra antsika : “Nohariany isika mba hosambatra mandrakizay miaraka aminy any an-danitra, rehefa tia sy manompo Azy ety an-tany”. Tsy mila ny fiderantsika Izy sanatria, fa ho famonjena antsika ny fiekentsika ny halehiben’ny Voninahiny : ampamirapirato ny tavanao ry Tompo, dia ho voavonjy izahay (Sal 79).

Dia izay fikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra izay no tokony hanosika antsika hiasa ao an-tanim-boaloboka : “na inona na inona ataonareo hoy i Md Paoly dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany” (1Kor 10, 31). Izay no hahafahana mifaly amin’ireo zara fa miasa nefa mandray karama mitovy[1]… izany no hahafahana mamolaka ny hambom-po ka tsy hanaovana kobaka am-bava, amin’ny fanekena ilay Ray maniraka hiasa any an-tanim-boaloboka.

Izany no hananana ny fiadanam-po, hahafahana mametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’Andriamanitra, ao amin’ny fivavahana (Fil 4, 6-9), ka hikatsahana ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.

Tsy tokony hohadinoina fa ny asa ataontsika dia ho Azy Tompo. Mety hanome tsiny ireo mpiasa tsy nanome vokatra ny Tompony, lazain’ny Evanjely (Mt 21, 33-43) isika, saingy manohy ny nataon’izy ireo, amin’ny fanadinoana fa tsy araka ny halalin-tsaina, na araka ny asa vita no hitsarana antsika, fa araka ny fahaizantsika manome vokatra ara-potoana. Hevevriko fa tsy ny haben’izay vokatra hatolotra loatra no zava-dehibe (satria tsy miankina amin’ny mpiasa ny mety ho fahatongavan’ny orambaratra hanimba ny voly) fa amin’ny fahatsapan-tena ho “mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mamerin-doha”[2] .. Izany no hitandeman-tena mandrakariva, sao ny heverintsika ho mpanota sy mpivaro-tena no hialoha antsika any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Adidintsika ary ny mikarakara ny voaloboky ny Tompo, tsy hanaovana an-tsirambina sanatria! Tsaroantsika ny fanoharana momba ilay nandevin-talenta tsy te hisasatra (Mt 25, 24)… Izany no hanontonantsika ny fahaiza-manao sy ny herintsika manonntolo, hoenti-manorina ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny talenta nomeny antsika avy. Tsy hitarainan-tana-miompaka, na hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady ny fiasana ao an-tanim-boaloboky ny Tompo, satria ny fahasoavana nomeny antsika dia tsy antoky ny Famonjena ho antsika raha tsy ampiasaintsika ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. Amin’izay dia tsy ho fampitahorana ho antsika ny Tenin’i Jesoa, hanesorana ny Fanjakan’Andriamanitra eo am-pelantanan’izay tsy mampamokatra azy.

 



[1] tsaina ilay denie iray ho valin-kasasarana

[2] Satria ny omby volavita dia nolazaina fa an’ny mpanjaka avokoa…

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2437