NY TOKY FITAKA FA NY ATAO NO HITA
Tsy mandeha ho azy ny finoana ny fibebahana, n any an’ny tena fa indrindra ny an’ny hafa. Ny fomba fiteny tanana zatra mitrotra na ny nandalo Ramaka… na tsy matoky saka fa trondro ny loaka… dia manaporofo izany. Saingy ho antsika kosa, ny fanarahana ny lalan’ny Tompo dia ny fialana amin’ny haratsiana : ny fibebahana. Raha tsy tsapantsika anefa fa ny hanehoan’Andriamanitra ny fahefany dia ny mamela heloka sy mamindra fo (Vavaka fangatahana) dia tsy ho vitantsika ny hamela heloka hatramin’ny impitopolo fito (Alahady 24 A), ary tsy ho vitantsika ny hifaly amin’ny hafa mahazo ny hivelomany isan’andro (denie iray) toa antsika na dia tsy niasa tahaka antsika aza (alahady 25 A).
Ny halehiben’ny fitiavana hoy i Kristy dia arakaraka ny fahafoizana : “tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’izay lazainy ho tiana” (Jn 15, 13). Ohatra no navelany ho antsika : ny fahafoizana ny maha-Andriamanitra azy mba hietry toy ny mpanompo (doulos = andevo), hanome ohatra antsika fa tsy ny anaram-boninahitra tsy akory no inona fa ny fiainantsika mifanaraka amin’izany. Mampandinika ihany ny tenin’i Jesoa tamin’ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona : “Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikana sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra” (Mt 21, 31).
Raha mahatsapa tena ho zanaka ary isika, dia hitondra tena araka ny maha-zanaka, tsy ho sanatria hihanona amin’ny maha-mpikarama ka hiasa ihany ho an’ny denie iray, na sanatria hiaina amin’ny fiatsaram-bela-tsihy ka hanao “eny” eo am-bava ihany (Evanjely Mt 21, 28-32).