Alahady faha-25 Mandavantaona Taona A

Ny Fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitsika

Mandeha mankanesa eny an-tanimboaloboko

Nahoana no hijaly? "Mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana koa amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny", hoy i Md Piera (I Pi 4, 13). "Ny halehibeazan'ny fitiavana, hoy i Md Augustin no mampihena ny fijaliana"[1]. Izany ny misterin'ny Hazofijaliana izay nankalazaintsika tamin'ny 14 septambra. Anisan'ny hazofijaliana zakaintsika isan'andro isan'andro ny fifamelana izay takian'ny fiaraha-monina. Tsy fifamelana sy fifanitsiana hisehosehoana ka hanambaniana na hanafintohina ny hafa anefa fa fitadiavana miaraka ny sitrapon'Andriamanitra, ka hifanohantohanana sy hifanohintohinana amin'ny fanatanterahana azy.

Miankina amin'izay mety ho "voahangy sarobidy" niantefan'ny safidintsika anefa no hironan'ny fontsika koa (jereo ny alahady faha-17 A). Dia hisy olona hiasa maimaim-poana ve? Ho sanatria anie izany! I Md Piera aza, vaky vava ka nanontany an'i Jesoa hoe : "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka anao, ka inona ary no ho azonay?" (Mt 19, 27) Angamba tsy ho an'ny vokatra hitamaso no hiasana fa ho an'izay maharitra mandrakizay, saingy eo mandrakariva izany antony izany. Izany no nahalasa saina an'i Md Paoly, ny amin'ny hilàna azy eo anivon'ny Filipiana (Vak II Fil, 1, 20-24.7). Mahatsapa anefa izy fa na eo na tsy eo, ny zava-dehibe dia ny fiainana araka ny evanjely.

Na samy mitady valisoa aza anefa isika amin'ny asa sy ny andraikitra sahanintsika na eo amin'ny fiaraha-monina na eo anivon'ny Fiangonana, dia tokony tsy hohadinoina mandrakariva fa tsy fifaninanana ho ambony noho ny hafa tsy akory, na ny hitsinjovana tombontsoa manokana ho an'ny tena fa ny hahazo ny valisoa nampanantenaina (nifanarahana), ilay denie iray lazain'ny Evanjely (Mt 20, 1-16).

Araka izany, tsy ny asa vita na ny faharetan'ny fotoana niasana no handraisan-karama fa ny famaliana ny antso ho any an-tanim-boaloboka. Tsy midika koa anefa sanatria ho fanaovana izay danin'ny kibo! Ireo mpikaraman'ny ora farany tsy sanatria nanao mafy fo velona tsy hikarama (na noho ny hakamoana) fa "tsy nisy nanakarama", tsy an'asa... Raha tsy zary fahasambarantsika anefa ny hasambaran'ny mpiray finoana amintsika, raha toa ka tsy ny fitiavana no amnainga antsika hiasa fa ny tombontsoa fotsiny dia ho fanafintohinana ho antsika ny hahita ireo zara raha niasa, tonga taorinantsika teny an-tanim-boaloboka, nefa mandray karama alohantsika.

Ny tsirairay ary no hiaiky havaozin'ny Fanahy, fa tsy hanaraka ny fihevitr'izao tontolo izao (Rm 12,1-2) satria ny " hevitr'Izy Tompo tsy hevitsika, ary ny lalantsika tsy mba lalany" (Vak I Iz 55, 6-9) ka hizotra mandrakariva amin'ny lalam-pibebahana, eo am-pamaliana ny antso loloha lanitra ho amin'ny fahamasinana (LG 40) dia ny ho lavorary tahaka ny fahalavorarian'ny Ray izay any an-danitra (Mt 5, 48).

-------------------------------------------

Azo atao ihany koa ny manao fandinihana manokana momba ny HASIN'NY ASA (ohatra ny Ansiklika Laborem exercens : jereo eto)



[1] azo jerena ny vakiteny Off lett Saint Janvier 19 septembre (breviaire)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237