Alahady faha-24 Taona A Mandavantaona

Izay mamela no havela

 

Ny fiaraha-mivavaka vokatry ny firaisam-po dia mamelona ny afom-pitiavana, satria maneho ilay Andriamanitra nampanantena honina eo anivon'izay mivory amin'ny anarany (Mt 18,15-20). Ny fitiavana izay fahatanterahan'ny lalàna anefa tsy arakaraka izay heverintsika na izay lazain'ny manodidina antsika, izany no nizana'i Md Paoly amintsika mba tsy hanaraka ny fihevitr'izao tontolo izao fa hiova araka ny fihavaozan'ny Fanahy ( jereo Rm 12, 1-2).

Eo am-pamakiana ny Toko faha-18 amin'ny Evanjelin'i Matio (Mt 18)[1] dia hitantsika ny fihavaozam-panahy tian'i Kristy hiainan'izay te ho mpianany. Raha izay diso no tokony hangata-pamelana, dia lazain'i Jesoa fa izay manana ny rariny no hanatona mangingina ny rahalahy diso taminy ka hananatra azy...[2] Tsy sanatria hiambo ho manana ny rariny ka hilaza ny hoe : "Dia izaho indray ve no handadilady ho any!!!"... Impirifiry moa no sendra ny olana tahaka izany isika ka tsy mahatsiaro fa ny oha-piainana arahintsika dia ilay Andriamanitra maty ho antsika fony isika mbola mpanota (Rm 5,8). Izany no mandefitra manana ny rariny... saingy mandam-pahoviana!

Na ny Apostoly aza mba te hanaraka izany fampianaran'i Jesoa izany, saingy nametra-panontaniana ihany hoe hatraiza ny fetrany. Manamafy izany ny ahiahin'i Piera : "ka raha diso impiry izy amiko ny namako no tokony hamela azy aho!" (Mt 18, 21-35) Tsy misy fetra, hoy i Jesoa. Dia eo no mampametra-panontaniana antsika amin'ny fahendren-drazana hoe «Ny tanana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony». Hatraiza ny finoantsika ny herin'ilay Fanahy manavao ny fon'ny olona?

Mianga avy amin'ny Bokin'i Siràka (Vak I) milaza fa tsy havela isika raha tsy mahay mamela ihany koa, dia ambaran'i Kristy mazàva fa fanomezana efa noraisintsika ny famelàna, ka izay mahatsiaro tena ho voavela no voaantso hamela (Evanjely). Ny Mpanao salamo manafatrafatra mafy mba tsy hanadino ireo soa nataon'Izy Tompo amintsika (Sal 102) dia ny namelany ny heloka rehetra, ny nanasitranany ny aretina (ratra) ary ny nanavotany amin'ny ady, izany hoe ny dingana telon'ny fibebahana marina hahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny indrafony.

Meteza ary isika hotarihin'ny Fanahy Masina tokoa, hahasahy hisetra ny fihevitra tsy araka ilay arahintsika, dia i Kristy, tsy hitsara tena ho mihoatra ny mety ary hizaka ireo mbola marefo amin'ny finoana, tsy hitsara na haneso azy ireo, ary tsy hihevi-tena ho mijoro (Vak II)[3] ka hanadino ilay nanome hery sy nampanalavitra antsika tahaka ny atsinanana sy andrefana ny hadisoantsika (Salamo 103)

Aza adino fa "fanalahidin'ny lanitra" ny famelan-keloka, ary ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny amindrampony no hitsarana antsika. Tsy hamela antsika hanao izay tiantsika hatao anefa izany ka "ny lian-drà hiara-misakafo amin'ny niaran'ny herisetra" any amin'ny fanjakan'ny lanitra.[4] Raha tsy mahatsiaro ho samy namindrana fo, raha tsy faly amin'ny fibebahan'ny rahalahy (Lk 15, 25-32) ataontsika ahoana ny hiara-tsambatra aminy any amin'ny mandrakizay?

Aoka ho velona ho an'ny Tompo isika, hahatsiaro ny ohatra navelan'ilay namela ny helok'ireo namono azy teo ambony hazofijaliana, ka nanokatra ny varavaran'ny lanitra ho an'ilay jiolahy nivalo : Hazofijaliana ankalazaintsika ny 14 septambra.



[1] Alahady faha-23 sy faha-24 Taona A

[2] Alahady 23 A

[3] Mba hahazoana ny hevitry ny vakiteny faharoa dia tsara ny haakiana manontolo ny tapany voalohany amin'ny Romana toko 14

[4] Jereo ny n. 44 amin'ny lettre encyclique Spe Salvi momba ny frères Karamàzov.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011