Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava
"Miovà amin'ny fanavaozan'ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra", hoy i Md Paoly.[1] Ary fantantsika ny sitrapon'Andriamanitra araka ny didiny: "aoka ho masina (lavorary), tahaka ny Rainareo izay any an-danitra ianareo" (Lv 11. 44//Mt, 5, 48).[2] Ny fanatanterahana izany didy izany - hoy ihany i Md Paoly manohy - dia ny fitiavana. (Vak II Rm 13, 8-10).
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny mitia, tsy tanjona fa fiainana ka hifamahofahoan-javatra maro izay mazàna toa mandiso fanantenana ka hilazana ny hoe : raha nampoiziko ho... Izany no maha-hazofijaliana lalandava ny fitiavana,[3] ary ho antsika mpanara-dia an'i kristy aza, tsy ampy ny mitia ny hafa tahaka ny tena, satria ho an'izay voaantso ho amin'ny fahalavorarian'ny fitiavana dia hahafoy ny ainy aza, hanaporofoana fa tia.
Eo amin'ny seha-piainana an-davanandro no hamakivakiantsika izany abidian'ny fitiavana marina izany, fitiavana izay tsy maintsy hodiovina tsikelikely amin'ny fitiavan-tena sy ny zava-mangeja isan-karazany. Ireo napetraky ny Tompo ho Mpitily[4] dia tsy hanjakazaka tsy akory, fa ho modelin'ny ondry (I Pi 5,3) hanampy izay mania hiala amin'ny lalan-dratsiny mba hahavelona azy[5]. (Vak I Ez 33, 7-9). Tsy adidin'ireo nomena fahefana hamaha sy hamehy[6] ihany anefa izany fanoraoana ny lalan'ny fiainana izany fa fifanampian'ny mpiray finoana ho amin'ny fibebahana marina.
Ambaran'ny Evanjely (Mt 18,15-20)[7], araka ny lohahevitra nolazaintsika teny am-pihandohana, fa ny tena Kristianina tsy mifampijery arina an-tava. Fifanampian'ny mpirahalahy ny fiainana, saingy ny zava-misy matetika dia ny fiarovana ny tombontsoa manokana no zary filamatra, ka ny tahotry ny tsy te-hanan-dratsy no manakana tsy hino ny tena fibebahana marina.
Ny tiako holazaina amin'izany dia izao: rehefa tsy ny fitiavana no manentana ny fontsika dia tsy araka izay ambaratonga lazain'ny evanjely intsony no entintsika manampy ny hafa : firifiry moa ny fosafosa sy ny tati-bolana ataontsika, saingy raha mandini-tena araka ny fitiavana, sarotra ny hanamarin-tena raha tena fitiavana no nanosika antsika hanao izany ka hahatonga ny olona hino aza sanatria fa nandalo Ramaka, dia may ny tanàna...[8]
Hatraiza ny finoantsika ilay Fanahy, mahaova ny atifo? Manao antso avo amintsika ny Mpanao salamo mba hiovantsika famindra (Setriny Sal 94) : "Aza manamafy fo toy ny tany an'efitra...", ndeha hankalaza ny Tompo amin-kira, higòka ny hatsaran'ny mivory amin'ny anarany, hahatsapantsika fa eo afovoantsika Izy ary mihaino ny vavaka ataontsika. [9]
[1] Alahady faha-22 A, Vakiteny II (Rm 12, 1-2)
[2] Tiavo ny fahavalonareo... Mt 5, 38-48 : Evanjely vakiana ny Alahady 7A (tsy novakiana tamin'ity taona ity)
[3] Jereo ny alahady 13 A sy ny alahady 22 A manazava ny fifandraisan'ny hafatr'i Kristy hoe : izay mpianany, tsy maintsy mitondra hazofojaliana, ary ny hahafantarana ny mpianany dia ny fifankatiavana
[4] Mpitily : tsafah (ebr.), izay dikanteny mitovy amin'ny episkopos (grc.), Eveka
[5] Ny tena fanabeazana!! blog
[6] Amin'ny Fitantaran'i Matio, dia io no andalana milaza ny fahefan'ny Apostoly amin'ny famelan-keloka (Sakramentan'ny Fibebahana sy Fampihavanana, azo jerena eto ) izay mazàva kokoa araka ny fitantaran'i Joany (Jn 20,23)
[7] Raha voamarikareo izany dia ny toko 17 sy ny 18, 1-14 dia tsy novakiana amin'ny fizotry ny vakiteny mandavantaona, ny toko 17, 1-7 moa efa novakiana tamin'ny 6 aogositra (Trasfiguration), satria ny toko 16,21-27 no tamin'ny alahady heriny
[8] Azonao vakiana ity, indrindra ny naoty 5; ny Mt 18 manontolo (vakiana amin'ny heriny ny tohiny) dia manamafy izany : izay tia tsy sasatra ny mamela heloka satria mamantena fa afa-manova ny fo ny Fanahy.
[9] Azo asiana tsinndrim-peo manokana ny hasarobidin'ny FIARAHA-MIVAVAKA, satria tsy vitsy ny olona mahatsiaro irery ihany ilay "mivavaka amin'ny Ray ao amin'ny mangingìna" (Mt 6, 5-7) ka manadino fa "ilay Andriamanitra fitiavana dia eo afovoantsika, araka ny nampanantenainy , rahefa mivory amin'ny anarany isika" (Mt 18, 20). Raha sanatria ary mikorontana ny fiaraha-monina, ny tokantrano sy ny ankohonam-piainana dia mila jerena manokana ny fiainantsika izay "fiaraha-mivavaka " izay...