Ny Fahasambarana no tambin'ny fijaliana.
Tamin'ny alahady faha-13A[1] dia efa nifampizarantsika ny fampianaran'i Jesoa ho an'izay te ho mpianany : "Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy" (Mt 10, 37-42). Tsikelikely anefa no nitarihan'i Kristy ain'ireo nanakara Azy mba ho tonga mpianany marina tokoa. Ambaran'i Matio amintsika (Evanjely Mt 16, 21-27) ny namborahan'i Jesoa tamin'ny mpianany ny misterin'ny Fijaliany sy ny akon'izany teo amin'ireo nilaza ho mpanara-dia Azy.
Samy manana ny antony nahatonga antsika ho kristianina isika, ary tsy mitovy ny toe-po sy ny fisainana manosika antsika hitozo amin'ny fivavahana, izany no tsy maintsy hanavaozantsika isan'andro isan'ora ny fiekem-pinoantsika : "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?"[2] I Piera, izay nanambara fa i Jesoa no Kristy, dia nihevitra fa fiandrianana ny maha-voahosotra (Kristy) ka hosanatriavina raha Ilay Voahosotr'Andriamanitra no hiharitra ny tsy rariny sy ny fijaliana! Impiry tokoa moa isika no mihevitra ny Fitiavan'Andriamanitra ho tompon-tsoa araka ny nofo sy ny hita maso ihany, ka hanary toky rehefa sendra ny mafy sy ny fijaliana ka hilaza hoe : nahoana ilay Andriamanitra Fitiavana, mahefa ny zava-drehetra, no mamela ny maty eritreritra hanjakazaka! Fieverana araka ny maha-olombelona izany hoy i Jesoa fa tsy araka an'Andriamanitra (and.23).
Na ny Salamo setriny (Sal 62) na ny Vakiteny I dia manamafy ny tenin'i Jesoa hoe "izay be ao am-pony no hitenenan'ny vavany" (Lk 6, 45). Ny fahasarotan'ny fijoroana ho vavolombelon'ny marina, hoy i Jeremia dia tsy nahasakana azy hitory ny Tenin'Andriamanitra (Jer 20, 7-9) satria izay nihaona marina tamin'ny Tompo tao an-tempoliny masina dia hamisavisa ny hatsaram-pony hatramin'ny vao mangiran-dratsy, haniry ny Tompo, hangetaheta Azy, toy ny tany karankaina mila rano, hitady Azy hatramin'ny vao maraina (Sal 62).
Dia isika tsirairay samy manana ny handrian'ny sainy sy ny ironan'ny fony, ka manontany tena hoe : vao mifoha maraina, aiza no alehan'ny saiko? Tsy azo hodian-tsy hita ny hamafin'ny fiainana, ventesin'ny Poeta, mamaritra ny Adin-tsaina[3] sedrain'ny maro, saingy tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny tenin'i Kristy hoe : "Inona ny soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?"
Izany no anentanan'i Md Paoly antsika tahaka ny nataony tamin'ny kristianina tany Roma fahiny : "aza manaraka an'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozan'ny fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary." (Rm 12, 1-2). Izany fikatsahana ny fahalavorariana izany dia ny fanarahan-dia an'i Jesoa izay ambarany amin'ny ambaratonga telon'ny fandavan-tena, ny fitindrana ny hazofijaliana ary ny fanarahan-dia azy.
Ambaran'i Jesoa mazava fa tsy ny olona hitady Azy "tsy noho ny fahitana ny famantarana fa noho ny fahazoana ny mofo ka voky" (Jn 6, 26-27) tsy akory no afaka hanara-dia Azy[4]. Ny fandavan-tena marina dia mifototra indrindra amin'ny fitokisana ilay Fitiavana tsy mivadika, ka hiaiky toa an'i Md Piera hoe : "Hankany amin'iza moa izahay Tompo! Ianao no manana ny Tenin'ny Fiainana mandrakizay" (Jn 6, 69). Dia izay no hampahatoky hitondrana ny hazofijaliana, ka tsy hitindra tena araka ny mahafinaritra ny hafa na noho ny fanangolen'ny tontolo, fa hanaiky havaozin'ny Fanahy, haka tahaka an'i Kristy : hahafoy ny aina hoenti-mitia.
[1] Nolazaintsika tamin'izay fa ny hazofijaliana dia fiainana ny fifankatiavana (jereo eto)
[2] Jereo ny Evanjely tamin'ny alahady faha-21A (heriny)
[3] Ny Tenako foana no fanin-tsigara mamono eritreritra andro aman'alina,... Alina ny andro matory ny zanako, izaho kosa fasotr'ireo adintsaina, inona indray no rangotin'ny tanako, ho sakafon'ireto rahampitso maraina?...
[4] Ny fiekem-pinoan'i Md Piera tamin'ny alahady heriny dia taorian'ny fampitomboana ny mofo ho an'ny vahoaka...