Alahady faha-21 mandavantaona Taona A

I Kristy no iorenan'ny fiainantsika
sy ny Fahefan'ny Fiangonana

 

Efa noresahintsika tamin'ny alahady 29 jona nankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly ny momba ny misterin'ity toerana Sezarean'i Filipo ity (jereo eto). Manambara indrindra ny Misterin'ity fahefana nomen'i Kristy an'i Piera, fahefana miorina eo ambonin'ny Fiekem-pinoany, fahefana hifehy, fahefana haharesy ny vavahadin'ny afobe, izay nomena teo Sezarean'i Filipo, izay sady nankalazàna ny andriamani-tsampy Pan no nipoiran'ny loharanon'i Jordany, tandindon'ny batemintsika.

Eo am-pamisavisana izany tombontsoa noraisina izany dia mahatsapa ny halehibeazan'ny herin'Andriamanitra isika, ka miaiky tahaka an'i Md Paoly fa Izy irery ihany no mendrika homem-boninahitra (Vakiteny II Rm 11, 33-36). Ny Vakiteny I (Iz 22, 19-23) izay mitantara ny loza hanjò an'i Sobnà dia tokony hampieritreritra antsika hoe : aiza tokoa moa no ianteherantsika! Iza i Kristy ho antsika! (Evanjely Mt 16, 13-20).

I Sobnà [1] (Iz 22, 15) dia nitarika ny olona tsy hiantehitra afa-tsy amin'ny hita maso, tsy handraharaha ny ho avy, ka hanao hoe "Aoka hihinana sy hisotro fa ho faty ihany rahampitso" (Iz 22, 13). Izay nofidian'ny Tompo (Eliakim) anefa no afaka hifehy araka ny fitiavany satria avy aminy, noho Izy ary ho azy ny zavatra rehetra (Rm 11, 36). Ny fahefana ananantsika dia tsy natao hireharehana[2] sanatria fa natao hanompoana, natao hanampiana ny hafa hiditra ny fanjakan'ny lanitra... ka ny fanadinoana fa tsy ny fahamendrehana loatra fa ny fahasoavana no mandahatra izany dia mety hanadinoantsika ny adidy miandry sy andrasana amintsika. Tadidiontsika lalandava izay nolazain'i Jesoa tamin'i Pilaty hoe : "tsy manam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany" (Jn 19, 11).

Indraindray koa anefa, rehefa ny hafa no omena fahefana hifehy antsika dia toa zary vesatra sy fimenomenomana ny tsy fitovian-kevitra. Ny fahefana eo an-tanan'izy ireo dia ny fanalahidin'ny Fanjakan'ny lanitra ka adidintsika ny manampy azy ireo amin'izany andraikitra izany, na amin'ny vavaka na amin'ny torohevitra, na dia sanatrian'izany aza hiharan'ny tenin'i Jesoa hoe «ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo fa aza maka tahaka ny ataony» (Mt 23, 3).

Ny Fampianarana nosoratan'ny Congrégation pour la vie Consacré[3] momba ny anjara toeran'ny fahefana sy ny fanekena eo am-pitadiavana ilay Endrik'Andriamanitra, dia mampahatsiaro antsika fa manampy antsika hikaroka ny sitrapon'Andriamanitra ny ambaratongam-pahefana, mandrindra ny fiaraha-miaina ary mamelona ny zotom-po hitory ny tena Fahafahana marina ao amin'i Kristy.

Tsy natao ho an'ny relijiozy ihany anefa izany fampianarana izany ary vao tsy ela isika no nankalaza ny fetin'i Victoire, mampahatsiaro antsika ny fanamasinan-tena iantsoana antsika rehetra, henokanantsika fotoana ary ny handinika ireo soa sesehena notovozintsika avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra, ka hamaliantsika koa ny fanontaniany hoe : "fa ianareo kosa, ataonareo ho iza aho?"



[1] Sobnà na Shebnah (mitomban-kery) dia «lehiben'ny mpanao fanjakana tamin'ny andron'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà. Firinga mievotra izy io sady hafa firenena, ary mafy fitondra ny vahoaka. Izy no nitarika ny mpamjaka mba hanao fanekena tamin'ny Ejipsiana; nefa hevitra notoherin'Izaia mafy io, satria tsy sitrapon'Andriamanitra...» jereo naoty Baiboly malagasy Izaia 22, 15

[2] Misy hira fisaorana manambara izany tanteraka : Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo nahary nifidy anao, tanatin'ny maro, tanatin'ny tsara. Misaora.. Niangaram-pitiavan'i Jesoa Tompo ianao...Misaora

[3] Instruction Faciem tuam, Domine requiram, 11 mai 2008 jereo eto en français

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116