MAMPATOKY NY MANATONA AN'I JESOA MPAMONJY
Ny fahoriana mianjady amin'ny tena na izay mety ho kinasa, na dia ny vavaka aza tsy natao hialan-tsiny tsy hanaovan-tsoa [1], saingy ny mety ho fahasahiranana amin'ny fanompoana sy ny fitsinjovana ny mahantra koa sanatria tsy natao hanamaivanana ny fiainam-bavaka. Manambara izany ny Evanjely : "ary rehefa avy nampirava ny vahoaka Izy dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavak manokana" (Mt 14, 22-33). Midika izany fa ny vavaka, na ny fikasana marina tokoa hivavaka dia manokatra ny fontsika hiantra sy hitsinjo ny sahirana, ary ny fitsinjovana ny mahantra sy ny asa fiantrana no manomana ny fontsika hivavaka. Izany ny "vavaka sy asa" (ora et labora) izay baikom-piainan'i Md Benoit.
Mazàna anefa isika no mitady ny fiadanam-po amin'ny fianteherana amin'ny zava-mandalo, ka revon'ny sehatra sy ny setra-piainana ka manadino izany fandanjalanjam-piainana izany. Na ny Vakiteny I (I Mpanj 19, 9-13) na ny Evanjely (Mt 14, 22-33). Ny olon'Andriamanitra (Elia) dia mahatsapa ny fisiany ao anatin'ny feo malefaka sy mandrotsirotsy - ny fiadanana - fa tsy sanatria ao anatin'ireo zavatra heverina ho fampisehoan-kery (rivo-mahery, horohoron-tany, afo...). Mety hialohavan'ny fisalasalana na ny fizahozahoana anefa izany tena finoana izany, ka tsy vitan'ny hoe tsy hino maty raha tsy avy mandevina (tahaka an'i Md Thomas) fa hanao ny finoana ho fitaovana hahazoana tombontsoa manokana ihany ("asaivo mankeny aminao ambony rano aho").
Ny fahatsapana ny fahalemena eo anatrehan'izay hamafin'ny rivotra mifofofofo dia tokony hanampy ny fontsika hisokatra amin'ny tena vavaka : "Tompo o, vonjeo aho". I Kristy eo anivontsika no afaka mampitsahatra ny rivotra sy mameno fiadanana ny fo.
Mety hitaky ny fahafoizana ny maha-antsika anstika anefa izany, mba hahafahana maneho an'i Kristy ho famonjena ny hafa hoy i Md Paoly ( Vak II Rm 9, 1-5) saingy tsy hohadinointsika izay nolazaintsika teny am-pihandohana : ny fandanjalanjana ny fiainana, tahaka ny lazain'ny olomasina hoe: "Rehefa mivavaka isika dia hevero ho miankina amin'Andriamanitra ny zava-drehetra, ary rehefa miasa dia hevero kosa ho nankina amintsika"[2]. Dia izany no nokalointsika tamin'ny salamo setriny hoe "tafahaona ny fitiavana (hesed) [3] sy ny fahamarinana ('emeth)[4]; Mifanoroka ny rariny (tsedek[5]) sy ny fiadanana (shalom); ny fahamarinana (emeth) mitrebona eto an-tany, ny rariny (tsedek) kosa mitranga eny an-danitra." (Sal 85, 9-14).
Ny hatsarampon'Andriamanitra (hesed) araka izany, mba hahazoantsika ny famonjena dia tokony hihaona amin'ny fitandrovantsika ny didiny ('emeth), ka noho izany dia tsy hamela antsika hanao izay mahafalifaly ny fo fotsiny; Tsy misy fikatsahana fiadanana (shalom) vanona raha tsy misy fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny (tsedek), ka tsy hanadinoana fa "ny Fiadanana dia sady fahasoavan'Andriamanitra no finiavan'ny olombelona"[6]; ary na inona na inona ho fitandrovantsika ny lalàna, na inona na inona ezaka hifanohanantsika (emeth) dia mila mandrakariva ny andon'ny lanitra isika hampamokatra ny voa nisasarana (Sal 126).
Iezahantsika ary ny hiaina izany finoana izany, hampisy akony eo amin'ny andavanandrom-piainantsika izay ventsointsika ao amin'ny vavaka, ary hahafahantsika mitondra am-bavaka ny trangan-javatra na an-kasarotana na an-kafaliana.
[1] Jereo Alahady faha-18 A
[2] Araka ny fikarohan'ny sasany dia fanazavana ny ora et labora an'i Md Benoit...
[3] hesed (hatsaram-po)
[4] 'emeth : fahatokisana, tsy fivadiana amin'ny teny nomena
[5] Tsedek : fitandrovana ny rariny
[6] Hafatry ny Papa Taombaovao 2007 : paix: don et tâche. Jereo eto