Raiamandreny Andriamanitra
fa mamelona ara-nofo sy ara-panahy.
Ny Fanjakan'Andriamanitra dia haren-tsarobidy izay manaitra ny fon'ny olona, na eo am-piasana eny an-tanin'olon-kafa, na amin'ny fikarohana amin'ahim-po na sanatria ho voafaokan'ny haraton'ny mpanjono[1]... Eo am-pikatsahana izany haren-tsaobidy izany dia sitrak'Andriamanitra ny manohana antsika tsy ara-panahy ihany fa na ara-nofo koa aza.
Na tandindon'ny sakramenta aza ny sakafo lazain'ny vakiteny anio, dia efa nitsinjo sahady ny nolazain'i Jesoa ho sakafony i Izaia mpaminany (Iz 55, 1-3). "Aoka ny fanahinareo hiravo amin'izay hanina fy!"... izany hanina fy izany dia tsy inona fa ilay hanina mahavelona ny fanahy, izany hoe ny fihainoana ny Tenin'YHWH, satria izany no hahatanterahan'ny fampanantenana. Dia mova tsy izay lazain'i Kristy amintsika hoe : " Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'nizay naniraka ahy sy manatanteraka ny asany " (Jn 4, 34).
Ny salamo setriny (Sal 144) dia milaza ny hatsaram-pon'Andriamanitra izay mampametram-panontaniana antsika rehefa tojo ny manahirana. Saingy ambaran'i Md Paoly fa "tsy misy mahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy" (Vakiteny II Rm 8, 35-39), na fahoriana na fahaterena na hanohanana, eny fa na dia zavatra mihatra aman'aina aza.
Ny fitsinjovana ny vodiandro ho merika, izay lazaina ho fahendren'ny manantsaina mazàna dia manosika antsika hisaina ny ety an-tany ihany. Ny Evanjely anefa mitantara fa rehefa feno fatra ny fitiavantsika an'i Kristy dia hahavita hanariva andro hihaino Azy, ka tsy nahatsiaro mody hoy ny Evanjely : "ravao ny vahoaka handeha hividy hanina..." (Mt 14, 13-21).
Tsy manadino ny vahoakany anefa Andriamanitra ary eo anilan'izay miantso Azy (Sal 145, 18), "Tsy tokony handeha izy ireo : omeo hanina", hoy i Jesoa. Ny ambimbava kely mba ianteherantsika no sitrak'i Kristy hamelomana ireo dimiarivo lahy sy ny zaza amam-behivavy, ary tsy vitan'izany fa ny ambin'ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia nahafeno sobika roa ambin'ny folo!
Fahagagana izany, saingy hahafahantsika mahazo tsara fa tsy misakana velively ny fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny fiahiana ny hanina, ary tsy ny hanadinoantsika ny fivelomana no takian'Andriamanitra amintsika. Ny tian-kambara amin'izany dia ny fifamenoan'ireo sehatra sy setram-piainana ireo. Tsy manakana antsika hanamasin-tena ny fiahiana ny fivelomana ary ny fahatsapana fa ny Fihainoana ny Tenin'Andriamanitra no tena mahavelona antsika (Vak I) dia manampy antsika hitoky ny fitiavany sy hanatontosa an-tsakany sy an-davany izay adidy miandry antsika.
Mety hampilofika antsika ny zava-mitranga, tahaka an'i Kristy nahare ny nahafatesan'ny rahalahiny (Joany Batista) ka niheveitra ny mba hanovo hery sy fitonian-tsaina tany an'efitra. Saingy ny fahitana ny hetahetam-pon'ny hafa mila famonjena avy aminy dia nampientana ny fony (rahamim[2]). Ohatra no nomeny antsika ka meteza ary isika hotarihin'ny Fanahy, ka tsy hanao ny fahasahiranana sy ny fahoriantsika ho ala olana tsy hanaovan-tsoa.
[1] Alahady faha-17 (Mt 13, 44-52) : Ilay mpiasa tany dia nahita kisendrasendra, saingy tsy afaka naka avy hatrany fa mila nivarotra fananana mba hividy ny saha (tsy azo angalarina ny Fanjakan'ny Lanitra); ilay mpivarotra dia ninia nitady izay voahangy sarobidy ka nivarotra ny efa nananany mba hahazoana azy ; ny harato kosa nifoaka ny hazandrano tsara sy ratsy... toetra telo mety hananantsika eo am-piandrasana ny fiavian'ny Fanjakan'Andriamanitra!
[2] Jereo Alahady faha-11 A