Alahady faha-17 Taona A Mandavantaona

Mety ny mahafoy izay tsara
hahazoana ny tsara kokoa
.

 

"Avelao hiara-haniry izy roroa ambaram-piavin'ny fijinjana"[1] (Mt 13, 24-43) satria "ny voany no hahalalana ny hazo" (Mt 12, 33). Izany fampianaran'i Kristy izany dia manampy antsika hahazo ny tsiambaratelon'ny tolona sedraintsika isan'andro amin'ny fiaraha-miaina. Ny ahi-dratsy manko dia misy eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika, misy ao anatin'ny fianakaviantsika, any am-piangonana fa indrindra ao am-pon'ny tsirairay. Masina ny Fiangonana, saingy mpanota isika mpiangona... Tsy ny fanongotana ny ahi-dratsy hoy i Kristy no vahaolana hanorenana ny Fanjakan'Andriamanitra eo anivontsika fa ny fampamokarana ny voa tsara, mba hangonina ao an-tsopitra.[2]

Tsy fantantsika manko, hoy i Md Paoly izay hangatahintsika ka aoka ny Fanahy no hivavaka ho antsika. [3] Ny Vakiteny I (1 Mpanjaka 3, 5.7-12) dia mampanontany tena antsika hoe : raha izaho no amin'ny toeran'i Salomona Mpanjaka, inona no hangatahiko amin'YHWH? Miankina main'izay tanjona omentsika ny fiainana anefa ny valin'izany fanontaniana izany. Ho an'i Salomona dia mazàva ny tanjon'ny fiainany : hitondra am-pahendrena ny vahoaka, ka tsy harena no ilaina fa saina mahiratra, ny fahendrena.

Isika izay nohariana mitovy endrika amin'Andriamanitra, dia lazain'i Md Paoly fa voaantso haka tahaka an'i Kristy. "Entin'Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra" (Vak II Rom 8, 28-30). Ao amin'i Kristy no hianarantsika ny fitiavana an'Andriamanitra, Izy ilay mivelona amin'ny fanatanterahana ny sitrapon'ny Ray (Jn 4, 34), ao aminy araka izany no hahitantsika ny hevitry ny zava-mitranga ka hahatonga izany hahasoa antsika.

Amin'ny zavatra rehetra no hikarohantsika ny sitrapon'Andriamanitra, ka hahitantsika ny hasarobidin'ny Fanjakan'Andriamanitra. (Evanjely Mt 13, 44-52) Mety ho eny amin'ny sahan'ny hafa anefa izany, ka hivarotana an-karavoana izay hananana mba hahazoana ilay saha... Tsy ho maimaim-poana satria, ary ambaran'ny Evanjely izany, satria ilay nahita ny rakitra, afaka nitondra azy nody avy hatrany, saingy ambaran'i Jesoa fa tsy azo angalarina ny Fanjakany, izay tompon'ny saha ihany no mahazo azy, ka izany no hividianana ny saha...

Mety ho eny an-tsena ka hahafoizana ny efa nananana mba hahazoana ny tsaratsara kokoa... Izay fikarohana ny tsara kokoa izay no fanalahidin'ny Misterin'ny Fanjakan'ny Lanitra, izay no fikarohana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny fiezahantsika hanao ny tsaratsara kokoa hatrany araka izany no lalana hanorenantsika ny Fanjakan'Andriamanitra, ka hahafahantsika manantena ny ho voafantina ho ao an-karona.

Tsy ho sanatria anie isika no hivarotra ny saha misy ny haren-tsarobidy, na hanamoramora fiainana ka hamoy ny mandrakizay amin'ny firaiketam-po amin'izay mandalo. 'Ndeha hiara-hiantsa amin'ny Mpihira Salamo hoe : "Zavatra iray loha no irìko fatratra ka angatahiko amin'YHWH : honina ao an-tranony mandritra ny fiainako manontolo mba hidera ny hatsaram-pony sy higaga (hikolokolo)[4] ny Tempoliny", (Sal 27, 4) satria mahatsapa ny halehiben'ny famindram-pony isika, ary miaiky fa ao amin'ny fitiavany ihany no hahitantsika fiononana, ka izany no vimiaina hahafahantsika manatanteraka ny teniny. (Salamo setriny Sal 118)



[1] Alahady faha-16 A

[2] Mazàna ny fahasosorana sy ny tsy fananam-paharetana amin'ny fanomezana ny hafa fotoana hibebahana (vak I Alahady 16 A Fah 12, 13. 16-19) izay hamarinina amin'ny hoe : "satria izaho manana ny rariny, ka tokony ho ekena..." dia tsy manampy hiala amin'ny toe-java-mitranga fa vao mainka koa mampitombo ny olana sy ny lonilony.

[3] Vak II Alahady 16 A Rm 8, 26-27

[4] rQEïb;l. (piel rqb) higaga, hikarakara, hikaroka....

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0633