ALahady faha-16 Mandavantaona Taona A

Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo

Hazofijaliana, Jioga, voa afafy[1]... Eo am-pamakiana ny Tenin'Andriamanitra ka maniry koa ny hitandrina Azy, mba hahamafy orina ny trano haorintsika eo ambony vatolampy (Alahady faha-9A Mt 7, 21-27[2]) dia mahatsiaro ny fahalemena sy ny dingana mbola miandry isika.[3] Satry hiravona ny fiainana ka hanao ezaka goavana indray maka dia mba afaka miala sasatra, saingy tsy izany velively fa toy ny fihanihana havoana ny lalam-pahamasinana ka arakaraky ny lalana vita no hitakiana ezaka bebe kokoa.

Tsy natao hahakivy anefa izany satria tsy irery isika eo am-pamakivakiana ny fiainana. Tsy sanatria koa anefa mamela antsika hanaram-po ny famindrampon'Andriamanitra! Izany fahatsapantsika ny fahalemena izany manko no tokony hahatsapantsika bebe kokoa hatrany ny fitiavan'Andriamanitra manome andro hibebahantsika (Vakiteny I Fah 12, 13. 16-19).

Ny Fanahy no manohana ny fahalementsika sy mahalala ny fifonana araka an'Andriamanitra ho an'ny olomasina, hoy i Md Paoly (Vak II Rm 8, 26-27). Meteza ary isika hotarihin'ny Fanahy! Ahoana anefa izany fetezana hotarihin'ny Fanahy izany?

Hafatrafaran'i Md Paoly amintsika (Rm 8)[4] fa ny asan'ny Fanahy no hamonoantsika ny filan'ny nofo izay mahatonga antsika ho fahavalon'Andriamanitra, ary vao novakiantsika tamin'ny heriny fa ny faniriana araka ny Fanahy dia tsy sanatria faniriana ny hiadana sy ny ho finaritra, fa kosa fiandrasana ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.

Eo am-piandrasana izany fotoana izany anefa dia efa tsinjon'i Kristy sahady ny mafy hosedraintsika, satria ankoatra ny tolona hosedraintsika ao anatintsika dia mbola miara-maniry amin'ny tsiparifary koa ny vary (Evanjely Mt 13, 24-43). Nahoana no misy ahi-dratsy koa? Ssamy mandinika isika hoe taiza no nianarantsika ny ratsy! Nahoana ny zavatra handrarana no vao mainka atao? Satria tsy mipetra-poana ilay fahavalo.

Tsy ny fanesorana ny ratsy tsy ho eo anivontsika anefa no fanefitra atoron'i Kristy hahazoantsika ny famonjena fa ny fahaizantsika mitahiry ilay Voa nafafy, ka na miara-maniry amin'ny ahi-dratsy aza dia afaka mamokatra hatrany, tsy ho sanatria hanaiky hogejain'ny tsilo fa ho toy ny voatsinapy, toy ny lalivay ka hampitombo ny koba manontolo... Tsy manova ny maha-vary ny vary manko ny fiaraha-mitombo amin'ny tsiparifary...

Tsy ho sanatria fialonana ny fiadanan'ny maty eritreritra (Sal 73) no hanadinoana ny tanjon'ny fiainana. Tsy azontsika adinoina fa afaka mividy vola ny fitsarana isika hanafenana ny heloka vita fa tsy afa-mividy ny feon'ny fieritreretana, afa-mividy kodoro tsara hatoriana, saingy tsy afa-mibaiko ny maso hatory am-piadanana, fa ny tena loza dia ity : ny tentim-bidin'ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny fananantsika manontolo, tsy miankina amin'izay habetsahany fa miankina amin'ny fahafoizantsika azy, mba hahazoana ny tsaratsara kokoa.[5]

Loza no ilazantsika ny fahafatesana mandrakariva, voina mitranga, saingy io no taom-pijinjana hanaterantsika ny vokatry ny Fanahy, eo am-pelantanan'ny tompom-bokatra. Tsy ny fomba hahafatesana no tokony hampioron-koditra antsika. Ambetin-tenintsika ny hoe maty tampoka, saingy tsy azo adinoina fa tampoka mandrakariva ny fahafatesana, ka ny fihezahantsika manomana izany tampoka izany no manampy antsika hizotra ny lalam-pahamasinana.[6]

Hamafisintsika ary ny hitalaho ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana mba hampitombo ao amintsika ny fitiavan'Andriamanitra ka haharetantsika lalandava hitandrina ny didiny. [7]



[1] Iezahana araka izay azo atao ny hamerimberina ireo mba hampiditra antsika amin'ny fizotry ny fitantaran'i Matio. Tsy azo hodian-tsy hita manko ny fanadinoana (mba tsy hilazana hoe tsy firaharahiana) mahazo antsika amin'ny fandinihana sy fiainana ny Soratra Masina amin'ny fizotrany sy ny fitsinjarany ao anatin'ny taona litorjika... Raha tsy misy na inona na inona tatdidy anefa tsy hisy hodinihina ary mazava loatra fa tsy misy hoenti-miaina ihany koa.

[2] Tonga hiantso ny mpanota i Kristy : tsy izay masina no antsoiny fa izay antsoiny no hamasininy!

[3] Ianao mahavatra mamaky ny fifampizarana atao eto mazava loatra dia mikaroka izay lalam-pahamasinana izany.

[4] Vakiana ny alahady faha-14 A ka hatramin'ny alahady 19 A

[5] Alahady faha-17 A mandavantaona

[6] Jereo ny sarin'ireo olomasina mandinika karan-doha, mazàna eo am-pototry ny lakroà... mba hahatsapa ny fiafaran'ny olombelona, hahatsiaro fa vovoka ka mbola hody vovoka indray.

[7] Vavaka fangatahana.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0626