Alahady faha-15 Mandavantaona Taona A

Nokendren'Andriamanitra
hisy vokany
eo amin'ny Fiainantsika
ny Teniny.

Nivoaka ny Mpamafy!!!!

 

"Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ahy"[1] hoy i Jesoa. Tsy mora ny manara-dia an'i Jesoa ary mety hihoatra ny fetran'ny tena aza ka hahatrotraka sy hanjary vesatra. Dia antsoin'i Jesoa koa ireo "mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana mba hanatona Azy hohamaivaniny".[2] Tsy araka ny sitrapontsika anefa ny lalana atorony hahazoana ny fiadanana fa amin'ny fiantsorohana ny jiogany miaraka amin'ny hazofijaliantsika.[3]

Zavatra mitranga ombieny ombieny anefa, indrindra rehefa sendra tojo ny fahoriana, dia ny mimenomenona sy ny manome tsiny an'Andriamanitra : fa nahoana izao Andriamanitra izao no lazaina fa fitiavana nefa mamela antsika hijaly, mamela ny maty eritreritra hanjakazaka? (Sal 73) Ho an'izay efa mandroso amin'ny finoana dia afaka milaza toa an'i Md Paoly hoe "tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika ny fahorian'izao fiainana izao" (Vakiteny II Rm 8, 18-23). I Kristy miantso antsika hitondra ny hazofijaliantsika dia mbola mampahatsiaro antsika fa rehefa manonja ny vesatry ny fiainana dia ny jiogany no hanamaivana antsika. Rehefa adino ny tanjona dia miha-lavitra ny lalan-ko diavina, miha-mafy ny ady... Ny hafaliana fa ho tera-bao no hiaretan'ny reny ny fijalian'ny fitondrana m-bohoka sy ny ffanaintainam-piterahana. Izany no fitiavana, satria tsy fantany akory ny ho ampitson'io zaza hitondrany ny tsy eran'ny aina io[4].

Mazava loatra araka izany fa rehefa adino ny maha-fandalovana ny tany, dia ho zavatra hafa no zary ivom-piainana, hadino hatramin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika, ka tsy ny fahafahana mitia no hifaninanana fa ny fikatsahana hafinaretana izay mazàna handavana ny hazofijaliana, saingy mba hampilamina ny eritreritra dia lazaina ho ady atao amin'ny tsy rariny...

Ambaran'i Izaia anefa fa ny Tenin'Andriamanitra izao nanafiny ao am-pontsika dia tia ny hamokatra (Vakiteny I Iz 55, 10-11). Mahavokatra ny Teniny rehefa mahatanteraka izay tiany. Inona ary no tian'Andriamanitra ho tanterahintsika?

Manoloana ny zava-mitranga ary dia tokony ho laharam-pahamehana ho antsika ny mikaroka ny sitrapon'Andriamanitra izay tsy inona fa ny lalam-pamonjena ho antsika. Miankina amin'ny fahaizantsika mandray ny Teniny hoy i Jesoa no hahafahantsika mampamokatra izany Teniny izany. Impiry moa no efa novakiana tamintsika sy nodinihintsika ity Evanjely mitantara ny Mpamafy ity (Mt 13, 1-23) saingy tsy sahintsika ny mitsara tena hoe firy heny ny vokatra azo avy amintsika, na hoe karazana tany manao ahoana no andraisantsika ny Tenin'Andriamanitra...

Ny mampalahelo aza indraindray dia toa tsinontsinoavintsika ny Tenin'Andriamnitra na ampiasaintsika hiarovana tombontsoa manokana, ka hisafidianana ireo toko sy andininy mahafinarinaritra ihany... Isak'alahady dia manontany tena isika ny amin'izay tenin'Andriamanitra tsaroantsika hoenti-miaina ny herinandro vaovao! Indraindray aza vao vita lamesa dia efa tsy misy tsaroantsika intsoy izay vao nankalazaintsika... Aza adinoina ny fampianaran'i Md Jeroma hoe : " Ny tsy fahafantarana ny Soratra Masina dia tsy fahafantarana an'i Kristy", satria Izy no ilay Teny tonga nofo ka tonga miara-monina amintsika.

Mety hanala tsiny tena koa aza isika fa sarotra ny mahazo ny Soratra Masina, na sanatria hilaza fa tsy hadisoan'ny tany velively no tsy hamokatra fa ny mpamafy no vendrana! Tsy izany velively sanatria fa ho entin'i Kristy ilazana amintsika fa tsy mifidy tany haniriana ny fahasoavana, tsy misy afa-milaza fa niangarana... Dia hotsinotsinoavintsika tahaka izany ve sanatria ny fitiavana tian'i Jesoa aseho amin'ny sitrapon'ilay Mpamafy te hamonjy ny olon-drehetra?

Efa narotsany ao am-pontsika tamin'ny Fanahy Masina nomeny antsika ny Fitiavana, io ilay voaloham-bokatry ny Fanahy, hiandrasantsika ny fananganan-janaka amam-panavotana, ny Sakramenta hanohizany ny famonjena antsika no ranon'orana aman'oram-panala mandrotsaka ny fahasoavana avy any an-danitra ho antsika, ka hahavonto sy hahalonaka ny tany...

Meteza ary isika hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra fa tsy ho sanatria ho mpitrosa amin'ny nofo,[5] ka handray ny Tenin'Andriamanitra sy mampamokatra azy eo amin'ny andavanandrom-piainantsika.

Tsy hohadinoantsika koa ny hitondra ambavaka ny Sinaodan'ny Eveka amin'ny volana Oktobra ho aavy izao, izay miompana indrindra amin'ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainana sy ny iraka nankinina amin'ny Fiangonana.

Amin'ity herinandro ity koa dia ho entintsika am-bavaka ireo tanora misolo tena antsika amin'ny JMJ any Sidney. Ho vavolombelon'i Kristy tokoa anie isika satria matoky ilay Fanahy nomena antsika! (jereo eto ny hafatra ).

 


 

[1] Alahady faha-13 A (Mt 10,37-42)

[2] Alahady faha-14 A (Mt 11, 25-30)

[3] Mitondra ny jiogany, izany hoe manaiky ho mpanompony, manaiky hiasa ho Azy, ho mpianany, izany hoe manaiky hampiseho amin'ny olona ny fifankatiavana marina... Izao hanaovantsika ezaka koa ny hihaino ny tenin'Andriamanitra amin'ny fiainana an-davanandro.

[4] Rahamim : jereo ny alahady faha-11 A

[5] Vakiteny II (Rm 8, 9.11-13) alahady 14A

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024