Alahady faha-14 Mandavantaona Taona A

I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy.

jioga (Pallium ho an'ny Arseveka

Tsy mandeha ho azy ny fanamasinan-tena satria mila famolahana ny sitra-po sy ny fahazarana, ankoatry ny finiavana sy ny fitozoana amin'izay fanapahan-kevitra noraisina. Ny tsirairay dia manana ny olana sedrainy hiatrehana ny tsiambaratelon'ny fiainana. Ambaran'i Jesoa amintsika anefa fa ireo trotraky ny fiainana, eo am-pitondrana ny hazofijaliany dia mila mitondra kosa ny jiogany...

"Mora entina ny jiogany, ary maivana ny didiny"[1] (Evanjely Mt 11, 25-30). Atao ahoana anefa ny hahazo izany tenin'i Kristy izany rehefa sendra ny mangidy tsy telina sy ny patsa iray tsy omby vava?

Ny Jioga dia fantatsika fa tandindon'ny fanandevozana[2], fitaovana atao eo an-tsoroky ny biby ampiasaina, ka mety hanambarana azy hiara-miasa. Raha miantso antsika hitondra ny jiogany ary i Kristy, jioga inona no tiany hoentintsika?

Izay mitondra ny jiogan'i Kristy izany dia manaiky ny hiasa (na hiara-hiasa) ho Azy. Ny omby tsara folaka tsy mba manoto tompo, na manonja aza ny vesatry ny sarety hotarihina... Ny jioga ihany koa no manambatra antsika amin'izay tsy maintsy hiara-miasa amintsika. Io no manamaivana ilay hazofijaliana [3] takian'ny fifankatiavana araka ny ambaran'ny evanjely amintsika : "naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy" (Mk 6, 7)[4], mba hampiseho ny hatsaran'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy (Sal 133,1). Ny maha-maivana ny hazofijaliana araka izany dia ny fahatsiarovana fa ataontsika ho an'i Kristy ny zava-drehetra, ho fitiavana Azy, araka ny Fanahiny fa tsy ho sanatria araka ny nofo sy ny filany (vakiteny II)...

Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny fiaraha-monina, tahaka ny averimberintsika matetika amin'ny fahendren-drazana hoe : "Ny havan-tiana tsy hiaraha-monina", saingy niainan'izy ireo niaraka tamin'ny hoe : "ny ela maharay roa". Ao amin'i Kristy malemy fanahy sy manetry tena ao am-po no hianarantsika mitia, ny fitiavana iainantsika miaraka aminy no vimiaina hanosika antsika hitia ireo miara-mizoga amintsika. Ny salamo setriny (Sal 144) dia mitanisa ny hatsaran'Andriamanitra, ilay miantso antsika ho lavorary tahaka Azy (Mt 5, 48 //Lk 6, 36) : antra sy mangoraka, tsy malaky tezitra, tsara amin'izay atao rehetra, marina sy tsara fo, mamonjy izay miantso azy...

Io ilay Mpanjaka ankalazaintsika, ilay maniry ny hanangona antsika rehetra ho vala iray (Jn 17), tsy amin-kerisetra na amin'ny ady anefa fa amin'ny fanetren-tena sy ny fitoriana fiadanana (Vakiteny I Zak 9, 9-10). Dia ho nofinofy ho antsika ve izany, raha sanatria ka ny lalàn'ny be sandry sy ny manam-bola no tsy maintsy hiainantsika eo amin'ny fiainana andavan'andro? Izay mahazo fahefana dia manao izay tratry ny aina hanao lalàna, izay mazàna tsy hiadanan'ny vahoaka loatra fa ho fiarovan-tombontsoa manokana!

Raha mbola velona ara-nofo isika hoy i Md Paoly dia hanjaka ny nofo (Vakiteny II Rm 8, 9.11-13). Ilay fiekem-pinoana navelan'ny Apostoly ho antsika (jereo Fankalazana an'i Md Piera sy Paoly) anie hamelombelona ny fanahy hanekentsika fa i Jesoa no Kristy, Izy no Tompo tiantsika hanjaka, ka hahafahantsika mahafantatra ny Ray, amin'ny fifaneraserana aminy.

"Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an'Andriamanitra" hoy i Jesoa (Jn 17, 3). Tsy fahalalana vokatry ny haranitan-tsaina anefa izany, ka hireharehavan'ny nahita fianarana na hahaketraka ny mahatsiaro tena ho bado, fa fahalalana vokatry ny fahatsoram-po te hanankina ny fahoriana sy ny vesa-pijaliana eo am-pelantanan'i Kristy, hiombom-pijaliana aminy ho fanavotana izao tontolo izao.

Iezahantsika ary ny hanamafy ny fiombonantsika amin'i Kristy, amin'ny vavaka sy amin'ny fiainantsika andavan'andro, hianarantsika mandrakariva aminy ny halemem-panahy, fa indrindra hanamafisantsika orina ny fitokisana Azy ho andry iankinana rehefa tojo ny manahirana, ka tsy hanadinoantsika ilay tanjon'ny fiainantsika dia ny "ho tia sy hanompo azy ety an-tany, ary ho sambatra sy ho velona mandrakizay miaraka aminy any an-danitra".[5]



[1] ara-bakiteny : fa mifanaraka amin'ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako... (miala tsiny fa tsy misy alphabet grika ilay ordi ampiasaiko)

[2] Azo jerena ohatra Jen 27,40; Lev 26,13; Fanis 19,2; Det 21,3; 28,48; 1 Sam 6,7; 1 Mpanj 12,4, 9ff, 14; 2 Tant 10,4, 9ff, 14; Isa 9,4; 10,27; 14,25; 23,10; 47,6; 58,6, 9; Jer 2,20; 5,5; 27,8, 11f; 28,2, 4, 10ff; 30,8; Fiitom 1,14; 3,27; 5,5; Ezek 30,18; 34,27; Osea 11,4; Nah 1,13; Mat 11,29f; Asa 15,10; 2 Cor 6,14; Gal 5,1; 1 Tim 6,1 milaza ny momba ny jioga.

[3] Jereo alahady faha-13 A

[4] Jn 13, 35

[5] Izany no nianarantsika tamin'ny katesizy kely ho tanjon'ny fiainan'ny kristianina, ary asian'ny vavaka rehetra tsindrim-peo amin'ity alahady ity : Fangatahana: "...aoka anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahatamperana"; Fanolorana : "...handio anay anie ny fanatitra hanajana ny anaranao masina ary hitantana anay isan'andnro hanao asa mendrika ny lanitra"; Komonio : "...ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra hidera anao".

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184