Alahady faha-13 mandavantaona Taona A

Ny soa atao, levenam-bola.

Ento ny Hazofijaliako

"Izay hanaiky ahy eo anatrehan'ny olona dia hoekeko koa eo anatrehan'ny Raiko"[1]. Ambaran'i Jesoa fa izay te-hanara-dia azy dia tokony hatoky ny fitsimbinany, ka na mety hamoy ny aina aza dia tsy te-handrava ilay fihavanana hifamatorana amin'ilay Aina ho an'ny fanahy amam-batana.

Izany fitokisana amin'ny fahasoavana izany dia mety hamoizana ny havana aman-tsakaiza sy izay mety heverin'ny fiaraha-monina ho kitro hifaharana. Ny fanekena hizaka ny hazofijaliana no maha-mendrika ho mpianatr'i Kristy. Inona izany hazofijaliana izany?

Ny fanekena izay mety ho fanambaniana sy ho fahafahambaraka eo anatrehan'ny olona mba hanaporofoana fa tia! "Ny hahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo, hoy Izy, dia ny fifankatiavana iainanareo" (Jn 13, 35). Ny hazofijaliana araka izany no fetran'ny fitiavana.

Fitiavana miandry valiny anefa ve ka "don-tapany handoha erany?" (Do ut des) Ny vakiteny I (2Mpanj 4, 8-16) dia mitantara ny valisoa azon'ilay Vehivavy sonamita avy tamin'i Elisea, tsy mba tahaka ilay mahantra mananontena tsy nahaloha trosa ka nahazo valisoa tamin'i Elisea ihany koa ( 2Mpanj 4,1-7). Tsy fiandrasana valisoa araka izany no hanaovan-tsoa, na dia mendri-baliny aza ny soa atao, ary ambaran'i Jesoa fa raha noho ny maha-mpianany, izany hoe raha atao am-pitiavana dia tsy ho very valisoa (Evanjely Mt 10, 42).

Manentana antsika i Md Paoly tsy ho kivy eo anatrehan'ny tolona hatrehana satria mahatoky ny fitiavan'i Kristy izay miantso antsika hiara-maty aminy ny amin'ny fahotana ka hiara-belona aminy kosa amin'ny fiainam-baovaon'ny Batemy (Rm 6, 3-11). Tsy hanararaotana hijanonana ao anatin'ny toe-pahotana akory ny fahasoavana miavosa (Rm 5, 20). Ny latsaka amin'ny fahotana dia fahalemena amin'ny maha-olombelona hoy i Md Augustin manazava izany, saingy ny milomano ao anatin'ny fahotana dia habibiana...

Tsy ho matotra anefa izany fanapahan-kevitra ny hiady amin'ny fahalemena izany raha tsy hamafisintsika isan'andro ny hasin'ny fiantsoana niantsoana antsika. Ho ahy, inona tokoa moa ny Batemy? Rehefa mangataka ny Batemy ho an'ny zanaka na ho an'ny havana, miantoka olona amin'ny batemy... Inona no lanja omentsika ny Batemy? Fombafomba tsy maintsy hatao ihany ve sa tena fanapahan-kevitra hamaly ny antsom-pahamasinana [2].

Izany no mampiova ny ivom-piainantsika tsy hizaha ny fahasambarana amin'ny zava-mandalo intsony fa hiantsa ny salamo 88 (setriny) hoe : Sambatra izay mahay mihoby an'Andriamanitra sy mifaly amin'ny anarany satria mahatsapa fa Izy irery ihany no harena sy tabiha...

Angatahintsika lalandava ary ny Fanahy Masina hiaro antsika amin'ny haizin'ny hevi-diso (vavaka fangatahana) sy hankahery antsika ho tia sy hiray bebe kokoa amin'i Jesoa raisintsika amin'ny Eokaristia (Vavaka aorian'ny komonio)



[1] Evanjely 12 A

[2] Aoka ho lavorary tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo any an-danitra ianareo (Mt 5, 48). Jereo Alahady 7 A

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0518