Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra
Izay mahatsiaro ho tiana no afaka mitia[1]. Marina izany saingy tsy zavatra mandeha ho azy tsy akory. Voalazan'ny Tenin'Andriamanitra nifampizarantsika roa alahady nifanesy izay fa ireo namindran'Andriamanitra fo dia tonga mpitory ny famindram-pony. Tonga Apostoly hitondra ny Vaovao Mahafaly ho an'ny mahantra sy ny malahelo.
Ny Marina anefa manelingelina antsika mandrakariva. Raha mijoro hanambara[2] ny marina ireo Mpianatr'i Kristy dia mitsangan-ko fahavalon'ny maty eritreritra. Izany ohatra no rentsika tamin'ny vakiteny I (Jer 20, 10-13) ny amin'ny nanenjehana ny Mpaminany Jeremia[3] satria toa manelingelina ny fiainan'ny olona zatra ny "mandeha ho azy". Indraindray tokoa manko tsy tena fitiavana fa fitiavan-tena (tombontsoa) no hifikirantsika amin'ny "fombam-pivavahana" izay lazaina ho finoana.
Ny zava-mitranga, na ny mety ho faharavan'izay heverintsika ho ivo sy kitro hifaharana aza, - tahaka ny faharavan'i Jerosalema ho an'ny Jody mpivavaka[4] - dia tsy tokony hampiontsona ny fitiavantsika raha tena mafy orina tokoa. «Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery hianao.» (Jer 20,7). Izany no nahafahan'i Jeremia nihira sy nidera ho an'ny Tompo hatrany (and. 13) na dia mafy sy mihatra aman'aina aza ny fahoriana mihatra (and. 14-15).
Tsy noho ny tombontsoa vao handrandraina loatra hoy i Md Paoly no hiderantsika tsy an-kijanona an'i Jesoa Kristy Tompo fa noho ny fitiavany sy ny famindrampony fony isika tsy mbola nanan-kery, mpanota sy mpanohitra an'Andriamanitra (Rm 5, 1-11). Raha araka ny Lalana sy ny Fitsaran'olombelona ihany dia ho mendri-tsazy isika, fa ny fahasoavana kosa no mamela heloka sy manangana antsika ho velona (Vak II).
Izany no hahafahantsika manavao mandrakariva ny fanantenana rehefa tojo ny sarotra. Ny fahamatoran'ny fitiavana manko dia izay nasehon'i Kristy antsika teo am-pialana aina : "Andriamanitra o! nahoana no navelanao ho irery aho?" (Mt 27, 46 //Sal 22,12) saingy tsy mihozongozona ny fitiavana sy ny fitokisana ilay Ray Fitiavana : "Eo am-pelatananao no ametrahako ny fanahiko" (Lk 23,46 // Sal 31,6).
Mazava ary ny ohatra sy ny hafatra napetrak'i Jesoa ho antsika : manoloana ny zava-manahirana sy ny mafy tsy maintsy hatrehana dia tokana ny safidin'izay milaza ho tia Azy : "ny fanekena". Tsy ho fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady sanatria ny lalam-pahamasinana fa fikatsahana ny sitrapon'Andriamanitra sy fanapahan-kevitra hanatanteraka azy, na an-kasoavana na an-karatsiana, matoky fa tsy hafoin'Andriamanitra na oviana izay mafy orina amin'ny fitiavany, [5] satria "izay hanaiky an'i Kristy eo anatrehan'ny henatr'olona dia hohekeny koa eo anatrehan'ny Ray" (Evanjely). Tsy hodian-tsy hita anefa ny hasarotan'izany satria mazàna satrintsika ny ho faty rahampitso, toy izay ho faty androany ka toa tsy raharahiantsika loatra izay hahafaty ny fanahy fa ny hihadanan'ny vatana no imasoana. Tsy hohadinointsika ny hafatr'i Jeremia Mpaminany, ny amin'ny handalinantsika ao am-po ny Fitiavan'ilay efa tia antsika.
Ho hery ho antsika anie ny Teniny, hahazoantsika hery hitondra ny hazofijaliana[6] fa indrindra hahafahantsika mandalina sy manamafy ny finoantsika ho latsam-paka ao anaty fa tsy ho sanatria ho fisehoana ivelany ihany, ka na ho valin-kira mampanjombona ny androm-piainana aza ny salamo setriny (Sal 68) dia tsy hampihontsona antsika satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin'ny Fanahy nomena antsika ny Fitiavana (Rm 5,5) ka mamelombelona mandrakariva ny fanantenana ao amintsika.[7]
[2] ho "feon'ny fieritreretana" na Conscience
[3] I Jeremia, mpaminany niaina sy nanatri-maso ny Fahababoana (597 sy 587 a.c.) dia nampisy heviny vaovao ny fisoronana. Na amin'ny maha-taranaky ny mpisorona azy na amin'ny fahitana ny nambaboan'i Nabokodonozora an'i Jerosalema sy ny nandorana ny Tempoly dia nahatsapa fa tsy zavatra ivelany loatra ny tena fisoronana sy fitiavana an'Andriamanitra fa "fiainana anaty" iveloman'ny tsirairay sy mila halalinina manoloana ny zava-mitranga izay manozongozona ny finoana mazàna.
[4] Ny antony nampidirana am-ponja an'i Jeremia dia noho izy naminany ny faharavan'ny Tanàna sy ny fandoroana ny Tempolin'i Jerosalema... nilaza loza!
[5] Vavaka fangatahana.
[6] Evanjely amin'ny alahady faha-13 izay tsy hovakiana amin'ity taona ity satria mankalaza an'i Md Piera sy Paoly isika amin'ny alahady heriny
[7] Tsara ny hamakiana manontolo ny toko 5 sy faha-6 amin'ny Taratasin'i Md Paoly ho an'ny Kristianina tany Roma sy ny toko faha-10 n'ny Evanjely nosoratan'i Md Matio mba hahazoantsika ny halehibeazan'ny fitiavana niantsoana antsika. Tsy mandeha ho azy anefa ny valim-babena fa mila finiavana (sitra-po = izay hanaiky ahy), mitaky fandavan-tena (izay tia ny fianakaviany mihoatra noho izaho dia tsy mendrika ahy...) sy fitondrana ny anjara fijaliana...