Alahady faha-11 Mandavantaona Taona A

Izay mahatsiaro ho tiana no afaka mitia

Onena i Kristy "nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry" (Mt 9, 36). Onena Izy[1]. Dinihontsika ny fitiavan'Andriamanitra ampihoarina amin'ny fitiavan'ny reny : ilay nisotro ny rano tsy tiana sy niankin-drindrina irery. Ny raµamim izay mazàna adika hoe Famindram-pon'Andriamanitra dia oharina amin'izany fitiavan'ny reny izany. Raha nanao izay tiany hatao manko ny reny dia mety ho afa-jaza ka ny fitiavany io zaza tsy manan-tsiny, saingy tsy fantatra akory izay ho aviny na ho hendry na haditra[2]… dia hiaretana ny mafy satria tiana.

Izany koa no hamafisin'i Md Paoly amintsika ao amin'ny vakiteny II (Rom 5, 6-11) hoe fony isika mbola tsy manan-kery[3], mbola mpanota[4], mbola fahavalo[5] no maty tamin'ny fotoana voatendry i Kristy. Midika ilay fitiavana maimaim-poana hitiavan'Andriamanitra antsika izany. Mba firy hoy i Paoly no mahafoy tena hisolo ny meloka? Tsy hadalana ve izany? Hanitsoka ny tsy manan-keloka aza hatao! Firy ny Raiamandreny na ny Mpanabe mahavita manetritena hisoloheloka ny zanany raha maditra ? Toa manatsiny iznay ny fahendren'ny Ntaolo Malagasy[6].

I Moizy koa nodidian'YHWH hanafatrafatra ny vahoakany hahatsiaro lalandava ny nataon'ny Tompo tamin'izy ireo! (Vakiteny I) Fahatsiarovana tokoa ny fitiavana![7][8] Dia izany tokoa satria mba ho firenena masina dia mila mihaino ny feon'Izy Tompo sy mitandrina ny fanekeny[9]. Fa ny Fiantsoan'Andriamanitra kosa dia fiantsoana ny taranak'i Jakoba sy ny zanak'Israely : fantatsika fa i Jakoba ihany no Israely, saingy hilazana ny herin'Andriamanitra manampy ny hafanam-pon'olombelona.

Tsy azo hadinoina fa ho an'ny Jody Kristianina no nanoratan'i Mateo ny Evanjeliny, koa tsy mahagaga raha manisy tsindrim-peo amin'ny fitoriana ho amin'ny "ondry very amin'ny taranak'Israely ihany" . Zavatra maromaro no azontsika tsoahina avy amin'izany Evanjely izany :

Ny Apostoly, tanisain'i Matio tsiroaroa dia voairaka hihaina ny Fitiavana eo am-pitoriana ny Evanjely. Ny firenena rehetra no ho vory eo anatrehan'ny Fitsaran'Andriamanitra (Mt 25, 32) hihoby azy an-karavoana, sy hihaiky Azy ho Andriamanitra sady hahatsapa ny fitiavany sy ny fahamarinany (Salamo setriny) ka izany no nanirahany ny Apostoly hitory ny Evanjely amin' ny voary tontolo ( Mt 28, 19//Mk 16, 15), miantomboka amin'i Jerosalema (Lk 24, 47).

Midika izany fa zava-dehibe ny fitondran-tenan'izay te-hitory ny hafatr'Andriamanitra. Tsy amin'ny fandalinana ihany ny Soratra Masina fa amin'ny fahatsapana isan'andro vaky ny fitiavany, ka terem-pitiavana hamaly babena, satria tsinontsinona nefa notiaviny.

Toa an'i Mateo, henontsika tamin'ny evanjely tamin'ny heriny (jereo eto) nitaona ireo lazaina ho mpanota sy Poblikana hiara-misakafo amin'ny latabatry ny Tompo dia iezahantsika ihany koa ny ho Apostolin'ireo mifanerasera amintsika : ny fianakaviana sy ny mpifanolo-bodirindrina. Tsy azo lavina ny hasarotan'ny fiaraha-miaina, ny havan-tiana tsy hiaraha-monina, hoy ny Ntaolo. Saingy rehefa tsapantsika fa maimaim-poana no nitiavan'Andriamanitra antsika dia hianatra ny hitia maimaim-poana ihany koa isika ka tsy hitady ny tsara sy ny mahafinaritra ihany, na sanatria izay hahitana tombotsoa hotiavina, fa ho Apostoly marina tokoa, vonona ny "hanome maimaim-poana", tsy hiambo ho mahery fa hiventso sy handinika ilay hira hoe : "Matoa aho anie toy izao, eny e! Matoa aho mbola mijoro dia noho ianao Tompo o, fitiavanao Tompo o".

Ny fahatsapana izany fahasarotan'ny lalana izany no hamerenantsika ny vavaka fangatahana satria "nofo sy ra isika ka tsy mahefa na inona na inona, ka mila ny fahasoavan'Andriamanitra hitandremana ny didiny sy hanarahana ny sitrapony na amin'ny hevitra na amin'ny asa".



Ireto naoty ireto dia tsy dia handalinana loatra ny teny tsirairay fa hahazoana ny fifandraizan'ny teny, maneho ny hafatra "iray" tian'YHWH hambara amintsika.

[1] ~ymix]r; (~x;r') (raµamim <= matoanteny raµam =>honena) izay ambaran-ny (spla,gcnon midika hoe tsinay, tranon-jaza) => splagcni,zomai izay adika hoe onena dia entina ilazana ny fitiavan-Andriamanitra toy ny reny miteraka izay kitapo nifonosana.

[2] Ny ho kilemaina sy ny ho sampona izao dia manjary olana sy matetika manosika amin'ny fanalan-jaza, satria ny mahafinaritra (bien être) sisa no heverina ho fiainana! dia hoe handeha hanao fiainana. Hadino ny fahendren'ny Ntaolo hoe "Tantely ama-bahoana ny fiainana.. kodiaran-tsarety...

[3] avsqenh,j (a-sthenes) = tsy manan-kery, osa

[4] a`martwlo,j (hamartolos) = mpanota matevin-koditra!

[5] evcqro,j (echthros) = mpanohitra, fahavalo. Entin'i Md Paoly hilazana ny fiainany manokana (sy ny fiainantsika ihany koa) fa ilazana koa ny halehibeazan'ny Fitiavan'Andriamanitra antsika.

[6] Tsy misy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-nono hakifika ihany! (Ohabolana Malagasy)

[7] Jereo eto ny fifampizarana tamin'ny Fo masin'i Jesoa

[8] bqo[]y: Ya`aqob = nihazom-boditongotry ny rahalahiny (Jen 25, 26) izay tian-dreniny (v. 28) ary laer'f.yI Yisra'el =niady tamin'Andriamanitra… ilay anarana vaovao (Jen 32, 28) ilay anarana vaovao tao Panoela (mihatrika an'Andriamanitra =mivavaka).

[9] Izay mandresy no mitondra ny anaran'Andriamanitra (Apol 3, 12) satria nahatandrina ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny andro fitsapana (soratra ho an'ny Eglizy tany Filadelfia =fitiavan-dRahalahy)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1327