8 Desambra 2008

Fankalazana manetriketrika
An’i Masina Maria tsy azon-keloka

 


 

Alahady faharoan’ny Fiavian’ny Tompo, jereo eto

 

Fety ho an’i Madagasikara ny 8 desambra satria ny 1 aogositra 1644 dia natokan’i Mompera Dalmond ho eo ambany fiarovan’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana i Madagasikara sy ny asa fitoriana ny Evanjely. Fa amin’izao ankatroky ny fiaviana izao ihany koa dia manampy antsika ny fety anio hahatsapa ny tena fiandrasana ilay Emanoela ho avy, ilay Teny tonga nofo, nanaiky haterak’ilay Virjiny tsy azon-keloka.

I Masina Maria dia mamintina ny fibebahana hihainan’ny taranak’olombelona. Ilay lalana hiverenana amin’ny hasambarana tao am-paradisa an-tany izay nampanantenain’Andriamanitra fa hanorotoro ny lohan’ilay ratsy (Vakiteny I Jen 3, 9-15.20) dia tanteraka tao amin’i Masina Maria, nahazoantsika ilay Mpamonjy nanaiky ho faty teo ambonin’ny hazofijaliana, ka namela ny fahatsiarovana ny nahafatesany ho sakafo hamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izy ilay nanaiky ny henatry ny olom-pady mba tsy hatahorantsika intsony hiseho eo anatrehan’Andriamanitra intsony, na eo aza ny fahotantsika (and. 10).

Izy no ilay Eva vaovao, nomen’i Kristy ho renin’ny olombelona rehetra, ka mahatonga antsika hidera an’Andriamanitra satria mahagaga ny zava-bitany, tsy hita pesipesenina ny fitiavana asehony antsika (Sal 97) amin’ny hiantsoany antsika koa tsy hanan-tsiny (immaculés) eo anatrehany mba ho fankalazana ny voninahiny amin’ny maha-mpiara-mandova ny Fanjakany amin’i Kristy Zokintsika (Vakiteny II Ef 1, 3-12).

Ny Eny nataon’i Masina Maria dia savalalana ho antsika amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, tsy amin’izay fandravana ny mety ho efa voalahatry ny safidy (fofombadin’i Josefa) (Lk 1, 26-38) fa amin’ny fiekena fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (and. 37). Dia izany no ventesintsika mandrakariva amin’ny fiekem-pinoana hoe : “izaho mino an’Andriamanitra Ray tsy toha, mahefa ny zavatra rehetra”. Ny Arkanjely Gabriely, Herin’Andriamanitra, nampianatra antsika ny fiarahabana an’i Masina Maria dia tokony hampahatsiaro antsika mandrakariva ny fototry ny misterin’ny Famonjena.

Izany Mistery izany no hiomanantsika ankalazaina amin’ny Noely. Koa iezahantsika ary ny handio ny fontsika araka ny hafatr’i Md Paoly, ka hitalahoantsika amin’i Masina Maria ny fo madio<!--[if !supportFootnotes]-->[1]<!--[endif]--> izay hany hahafahantsika mihaona amin’Andriamanitra (Mt 5, 8) ka hijoro tsy aman-tahotra eo anatrehany.

Raha ny toe-tsaina sy ny fotom-pisainan’izao tontolo izao no enti-mandinika ny maha-tsy manantsiny sy tsy maha-azon-keloka an’i Masina Maria fa tsy ny “finoana ny Herin’Andriamanitra (Gabriely) dia ho abobo sy angano ihany izany. Fa foto-pampianaran’ny Fiangonana Katolika ny maha-tsy azon-keloka an’i Masina Maria (8 desambra 1854), ary tokony hampandinika antsika amin’ny toe-po entintsika mandray ny Komonio Masina, sy ny fiezahantsika handio ny fo, ho mendrika handray ilay Teny tonga nofo, zary mofo, ka te hiara-monina amintsika, te honina ao am-pontsika.

 

Azo jerena koa ireto : blaogy-na koa Maria Renin’ny Fiainana.

 



<!--[if !supportFootnotes]-->[1]<!--[endif]--> Tsara hiraina amin’izao fety izao jereo eto

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096