Ny Mistery fonosin'ny Faritanin'i Sezarean'i Filipo (Evanjely Mt 16, 13-19)[1] dia manampy antsika hahazo ny halehibeazan'ny fety ankalazaintsika. Apostoly roa miaraka ankalazaina satria ny iray ilay Filoha, nametrahan'i Kristy ny Fanalahidy hifehezana ny Fiangonany, ny iray kosa niady ny ady tsara ka nanitatra ny finoana araka ny hafatr'i Kristy.
Tao Sezarean'i Filipo manko no nanompoana ny andriamanitra Pan[2] sy ny Amperora fa toerana nipohiran'ny iray amin'ireo loharanon'i Jordany ihany koa. Jordany izay manambara ny Batemy, loharano hananganan'ny Fiangonana antsika ho zanak'Andriamanitra, sady manafaka antsika amin'ny panique[3], amin'ny fatotr'ireo sarisarin'Andriamanitra mety mangeja antsika. I Piera, izay natsangan'i Kristy ho Mpiandry ondry dia manome endrika vaovao ilay andriamanitry ny mpiandry ondry.
Tsy andriamanitra araka ny fiheveran'ny olona sy ny hetahetampon'ny maro akory ny Andriamanitsika. "Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?" Ataontsika ho iza i Kristy? Andriamanitra mampitombo ny mofo ve ka hahavoky ny kibo sy hanafaka amin'ny fahasahiranana andavan'andro? Ireo vahoaka nahita ny halehibeazan'i Kristy tamin'ny fampitomboana ny mofo (Mt 15, 32-38) dia nanao Azy ho anisan'ireo Mpaminany lehibe.
Ny tena fiekem-pinoana anefa dia tsy izay entanin'ny tombontsoa ara-batana, araka ny nofo aman-drà, fa izay vokatry ny Fanahy ilay nanaganana antsika ho zanak'Andriamanitra. Mazàva loatra fa miaro izay nantsoiny Andriamanitra, manamafy izany ny vakiteny I (Asa 12), saingy tsy miankina amin'izay tombontsoa mety ho azo loatra no hiasana ho azy. I Md Paoly milaza fa eo ampiandrasana ny satroboninahitry ny fahamarinana (Vak II), izay tsy voninahitra araka ny nofo fa ny fahafahambarakan'ny martiry, nentiny nanome voninahitra ilay notoriany.
Ireo Apostoly ankalazaintsika dia namela tamintsika ny "Lova sarobidin'ny Finoana", izay mila ampamokarina eo amin'ny fiainana andavanandro. Miankina amin'izay fiheverantsika an'i Kristy anefa no hihainantsika ny finoana. Iza i Kristy ho antsika? Mbola ireo valintenin'ny Katesizikely nianarantsika tsianjery hatramin'izay ve? Sa kosa valinteny miloatra avy amin'ny fo, vokatry ny fifaneraserantsika aminy isan'andro, ka manamafy orina izany finoana izany ao amin'ny Fiangonana satria matoky ny fampanantenan'i Kristy fa tsy ho resin'ny "fahafatesana" ny Fiangonany[4].
Halao hery ary ny hanome voninahitra an'Andriamanitra, ka "na inona na inona ataontsika, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra" (I Kor 10, 31), ary araka ny lazain'i Kristy antsika, ny Fiainana mandrakizay, dia ny mahalala an'Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ilay nirahiny (Jn 17,13); koa hiezahantsika ny hitahiry ny finoana sy ny hikely aina hampahafanatra ny Tompo, hanabe voho ny Fiangonana, matoky fa tsy ho resin'ny vavahadin'ny afobe[5].
[1] Mbola miverina hovakiana ity amin'ny alahady faha-21 mandavan-taona (24 aout 2008)
[2] Pan, na azo adika ihany aza hoe miandry ondry, araka ny kolotsaina grika indrindra indrindra dia mpiaro ny mpiandry ondry, saingy azo adika koa hoe "tontolo", saika mitovy hevitra amin'ny katolika araka izany... Teo amin'io toerana io no nanagana'i Filipo ny tempoly hanajana ny rainy Sezara.
[3] Ny panique manko hono dia fomba fisehoan'ny hatezeran'i Pan amintsika olombelona. Jereo eto
[4] Omaly (27 jiona) dia nankalaza an'i Md Irenée de Lyon, nilaza fa "ny olona velona no voninahitr'Andriamanitra, ary ny mahita an'Andriamanitra no fiainana ho an'ny olombelona".
[5] Afobe (Hades) dia midika ara-bakiteny hoe fiainan-tsy hita, hilazana ny fitoeran'ny maty. Ny fahalalana an'Andriamanitra no fanafodin'ny fahafatesana (Jn 17, 3)