21 aogositra 2008

Nampiditra : harilova
Daty : 20/08/2008

Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra

Fandresena Rasoamanarivo

Rasoamanarivo ddia teraka ny taona 1848, Praiminisitry ny Mpanjakavavy Ranavalona (1832-1852) ny rahalahin-drainy ary fantatsika ny anadahiny (Rainilaiharivony : Praiminisitra 1854-1895). Na dia nobeazina araka ny fomban-drazana sy ny fombafomban'andriana tamin'izany aza Rasoamanarivo (fanandroana sns) dia tsy latsa-danja kosa ny fanabeazana ara-pitondran-tena nomen'ny reniny azy izay efa nanomana sahady ny tany hanirian'ny finonana tao am-pony.

Raha niorim-ponenana tao Antananarivo tokoa manko ireo Masera St Joseph de Cluny, dia Rasoamanarivo no anisan'ny mpianatra voalohany noraisiny tao, ary ny fahitany ny hatsaram-panahim'ireo misionera dia nangataka ny ho tonga kristianina izy, ka roa taona taty aoriana, ny 1 novambra 1863 dia natao Baremy ka nisafidy ny anaram-pandresena hoe : Victoire.

Herintaona monja taorinan'izay dia nasaina nanambady an-dRadriaka, manamboninahitry ny tafika, zanaky ny dadatoany Praiminisitra izy, ary ny hany fangatahany, satria moa tsy afaka ny handà na dia mba faniriany koa aza ny ho lasa relijiozy tahaka ireo masera nikarakara azy, dia ny hitsofandrano ny mariazy, hanandratana azy ho amin'ny sakramenta, ka natao izany, teo anatrehan'ny pretra katolika ny 13 mey 1864.

Tsy mba hanambadian-kilantoana anefa ny fiainan'i Victoire satria mpimamolava sy jamban'ny filan'ny nofo Radriaka vadiny ka na dia notoroan'ireo havany hevitra ny hisara-bady aza izy dia nanaiky am-pitiavana ny hitandro ny hasin'ny fanambadiany ka nizaka ny habibian'ny vadiny izay nibebaka ka nataony batemy nialoha ny nialany aina, ny taona 1887.

Na tsy mba nanan-janaka ara-nofo avy amin'ny fanambadiany aza i Victoire, dia azo lazaina fa renin'ny fiangonana malagasy izy, tamin'ny nijoroany ho vavolombelona hiaro ny fivavahana katolika, teo anatrehan'ny mpanjakavavy sy ny Praiminisitra fa indrindra nandritra ny telo taona tsy nahafahan'ny misionera nijanona teto anivon'ny Nosy (1883-1886).

Ny fitiavam-bavaka nanan'i Victoire dia nanosika azy handany ora maro amin'ny vavaka sy hanokatra ny fony amin'ny fitsinjovana ny mahantra sy ny fadiranovana. Izy tokoa no ohatra velona amin'ny toe-piainana laika novolavolain'ny Konsily vatikana faharoa, amin'ny fandraisana andraikitra amin'ny fiainam-piangonana ary amin'ny fanamasinan-tena araka ny seha-piainana hikatrohana.

Ny 21 aogositra 1894 izy no nodimandry, vao 46 taona, ary tsaroantsika ny namangian'ny Mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II antsika tamin'ny aprily-mey 1989, nanaganana azy ho olontsambatra.

Hotsaroantsika ambavaka amnokana ireo miaritra ny tsy rariny sy mitondra hazofijaliana mba hitandrovana ny hasin'ny tokantrano, ary ho hamafisintsika hatrany ny faniriantsika hanamasin-tena, na inona na inona seha-piainana misy antsika, satria ohatra ho antsika i Victoire, hanambara fa tsy voatokana ho an'ny olom-bisty akory ny fahamasinana fa fahasoavan'Andriamanitra miantso antsika mandrakariva hanavao ny fo amam-panahy, ho vavolombelon'ny fitiavany, hijoro amin'ny hasina maha-Mpisorona, Mpanjaka ary maha-mpaminany antsika, noho ny batemy noraisintsika.

Azo jerena eto ireo hatsaram-panahy nampiavaka an'i Victoire.

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1304 s.] - Hanohana anay