2 febroary

Ny nanolorana ny Tompo

maria.jpg

"Rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalan'i Moizy, izany hoe ny telo amby telompolo andro aorian'ny hamorana ny zaza, (Lv 12, 2-4) dia nentin'ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba atolotra ny Tompo" (Evanjely Lioka 2, 22-40). Izany no fety ankalazaintsika androany : ny fidiovan'i Maria ary ny fanokanana an'i Jesoa ilay voalohan-terak'i Maria.

 

Raha ny marina dia ity fety ity no tena manakatona ny fankalazana ny Noely, satria tahaka ny Reny avy nifana izany i Maria nitondra an'i Jesoa hatolotra ao an-tempoly. Dia ho fanarahan-dalàna ihany ve no antony nitantaran'ny Apostoly izany amintsika? Heveriko angamba fa tsy ireo ihany no lalàna narahin'i Josefa sy Maria. Asa angaha hoentina hilazana ny fahantrany, kanefa nitotototo nandeha nisoratra any Betlehema, avy eo afaka iray volana dia ho any Jerosalema. Sady tsy nahaloa ny ofan'ny fandraisam-bahiny no tsy nahavidy ondry ka "domoina roa", soron'ny mahantra no natolotra.

 

Izany no nahalasa ny saiko amin'ny tena hevitr'ity fanolorana ny Tompo ao an-Tempoly ity. Araka ny Boky Eksaody manko (Eks 13) dia tsy fahafoizana loatra io fanolorana io fa fahatsiarovana ny nanafahana tany Ejipta, ny loza fahafolo izay nanery ny Faraona hanafaka ny zanak'Israely (Eks11).

 

Ho antsika Kristianina anefa sarotra ny mandika izany amin'ny fanolorana ny Tompo, satria ho antsika tsy ny lahimatoan'i Ejipta (ny fahavalo manandevo) no maty fa ny lahimatoan'Andriamanitra. Tsy fahatsiarovana ny tana-maherin'Andriamanitra no ankalazaintsika, raha tsy izany dia ho tahaka ny jody mila fahagagana isika, na tahaka ny grika mila fandalinana, ka ho very hasina ny hazofijalian'i Kristy (1Kor 1, 22) [1]. Noho izany dia ny Fitiavan'Andriamanitra nahafohy ny Lahitokany no mampifaly antsika ka hanosika antsika hanolo-tena ho azy koa.

 

Tsy mampaninoa izay mety ho tsy fananan'ny raiamandreny fa ny fahatsapan-tena ho voatokana ho an'ny Tompo no zava-dehibe. Efa miara-maty amin'i Kristy ny amin'ny fahotana isika, hoy i Paoly (Kol 3) ka tokony hitondra tena mendrika ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina sy malala (and. 12).

 

Ny Jiro masina entina maneho ny Faminanian'i Simeona momba ilay fahazavana hanilo ny Jentily dia hahatsiarovantsika mandrakariva an'i Kristy Masoandrom-piainantsika.

 

Andro faha-12 natokana ho an'ireo nanolo-tena manokana ho an'Izy Tompo (Relijiozy sy laika voatokana) koa anio. Misy heviny ny Fiainan'Izy ireo rehefa tonga famantarana maneho an'i Kristy ilay Madio, Mahantra ary Manaiky, ka ho fahazavana hitarika ny olona hanantona an'i Kristy. Tsy sakana velively hanehoana ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra ny halemen'olombelona, fa vao mainka aza hanamafy ny fitokisana sy ny fiankinam-po amin'ny fahasoavana, mahatsiaro tena fa "raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona" (Jn 15, 5), hany ka sady miatrika sy miaky ny fahalemen'ny tena no mizaka sy mahalefitra ny fetran'ny rahalahy sy anabavy, sady tsy sasatra mitalaho ny fahasoavana, mba ho jiro manazava ny haizin'ny fahotana.



[1] Eo anelanelan'ny vakiteny faharoa amin'ny alahady 3 sy alahady 4 taona A io. I Paoly ao amin'ny fiandohan'ny Taratasy ho an'ny Korintiana dia manisy tsindrim-peo mafy amin'io herin'ny Fitiavana asehon'ny Hazofiijaliana io.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099