15 Aogositra

Fankalazana manetriketrika
an'i Masina Maria Virjiny
Nampiakarina any an-danitra

Masina Maria Nakarina any an-danitra

Ny 1 novambra 1950 no nanambaran'ny Papa Pio XII ny nampiakarana an'i Masina Maria "vatana sy fanahy" any an-danitra ho foto-pinoana katolika (dogme). [1] Ilay notorotoronina tsy azon-keloka dia sitrak'Andriamanitra handresy miaraka aminy, ka tsy foiny ho tra-pahalovana na ho sakafon'ny olitra fa nasandrany ho be voninahitra miaraka aminy.

Ny fanajana an'i Maria dia tsy antony fa vokatry ny finoana[2] an'ilay Andriamanitra nifidy azy ho Reniny, ka ilay Mahefa ny zavatra rehetra ve dia hamela ny kitapo nifonosana any am-pasana? Ambaran'ny Papa Pio XII fa lovam-banahy nifandovana tao amin'ny Fiangonana izany ary mazàva loatra fa ny tsy nisian'ny fanajana na fitadiavana ny reliques (sisan-taolana)-'i Masina Maria dia porofo iray eken'ny saina fa tsy navelan'Andriamanitra hanaraka ny lalàna ankapoben'ny zava-boaary (fahalovana) ny Reniny fa nomeny fahasoavana manokana.

Ireo vakiteny amin'ny Fanompoam-pivavahana hankalazantsika[3] ity fety ity dia manampy antsika hahazo sy hiaina koa ny maha-isika antsika : voaantso hanara-dia an'i Kristy, haka tahaka an'i Marina Maria, ilay santa-bokatry ny Fiangonana, araka ny lazain'ny Konsily hoe : "Ankalazaina [i Masina Maria], fa tena ambony tsy manam-paharoa amin'ny samy ratsam-batan'ny Fiangonana ary ohatra igagana sy fakan-tahaka tapitr'ohatra amin'ny finoana sy ny fitiavana, ka toloran'ny Fiangonana fitiavana sy fanajana fanehon-janaka amin-dreny tena tia sy tsy mahafoy, araka ny fampianaran'ny Fanahy Masina" (LG 53).

Ilay zava-dehibe notanterahin'Andriamanitra tao amin'i Masina Maria, no nampisokatra ny fanahiny hidera ny halehibeazan'ny Voninahitr'ilay Mpamonjy azy (Lk 1, 39-56). Izany fahasambarana iantsoan'ny tarana rehetra an'i Maria izany anefa dia vokatry ny fahaiza-mankatò ny Tenin'Andriamanitra sy mitandrina azy, hoy i Jesoa (Lk 11, 27-28).

I Masina Maria ankalazaintsika androany satria nandray ny valisoa nampanantenain'i Kristy an'ireo izay azy (vak II I Kor 15, 20-26b) dia hery sy fanalana alahelo ho antsika satria "raha tamin'ny alalan'i Masina Maria no nanomezan'Andriamanitra antsika ny Mpamonjy, izay loharanom-pamonjena ho antsika, dia ho laviny ve ny hanome antsika izay fahasoavana hahafahantsika maka tahaka an'i Jesoa Zanany, noho ny vavaka ataon'ny reniny?"

Aza adinontsika ny famporisihan'ny Konsily milaza fa "ny tena fitiavana dia tsy fihetseham-po miserana sy tsy misy vokany, na sanatria finoanoam-poana, fa izay tena vokatry ny finoana marina, ka mahatarika antsika hankato ny fahambonian'ny Renin'Andriamanitra sy hitaona antsika ho tia azy sy haka tahaka ny hatsaram-panahiny".

Ho fanavaozantsika ny faniriantsika ny lanitra anie izay fankalazana ataontsika ka hamerimberenantsika ny Vavaka fangatahan'ny Sorona Masina hoe : "Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay o, atodiho mandrakariva amin'ny haren'ny lanitra ny sainay ka ho mendrika hiombom-boninahitra amin'i Masina Maria nampankarina any any an-danitra izahay".[4]



[1] Azo jerena ny Constitution apostolique Munificentissimus Deus (en anglais ou en italien)

[2] Ny Lumen Gentium 67 milaza fa tsy maintsy avy amin'ny finoana marina ny fanajana an'i Masina Maria, ka mitarika ny kristianina hiaiky ny fgahamboniany sy haka tahaka ny hatsaram-panahiny.

[3] Sorona hariva mialoha : Tantara 15, 3-4. 15-16; 16, 1-2 // I Kor 15, 54-57 // Lk 11, 27-28 //
Sorona Masina 15 aogositra :
Apok 11 // Sal 44 // I Kor 15, 20-26b // Lk 1, 39-56

[4] Vavaka fangatahana amin'ny lamesa 15 aogositra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0273