Fankalazana ny nanandratana ny Hazofijaliana
(Alahady 24 taona A : jereo eto)
Ny fankalazana ny nanandratana ny Hazofijaliana dia mifandraika amin'ny fitokanana ny Basilikan'i Saint-Sépulcre (14 septambra 335) naorin'i Constantin (izay nahazoan'ny Kristianina ny fandriampahalemana) teo amin'ny Fasan'i Kristy, araka ny famporisihan'i Mb Hélène, reniny, izay nanam-panajana manokana ny Hazofijaliana. Na dia efa hatramin'ny 614 aza no voamarika ny fankalazana ny Nanandratana ny hazofijaliana tany Constantinople dia azo lazaina fa ny fiverenan'ny Hazofijaliana teo ampelantanan'ny kristiana indray, ny 628 raha nobaboin'ny Persa niaraka tamin'i Jerosalema, no nanamafy izay lovam-panahy fankalazana izany.
Ho antsika kristianina dia zary famantarana manokana ny Lakroà, stauros, crux, izay faratampon'ny fanambaniana hamonoana ireo voaheloka ho faty, fahafaham-baraka ho an'ny Jody ary hafokàna ho an'ny Grika (I Kor 1, 23) no tonga fahendren'ny Kristiana. Taorian'ny ICHTUS dia ny lakroà no nampiavaka ny mpino kristianina. Zary fahazarana ny manao famantaran'ny hazofijaliana, tsy amin'ny fanombohana sy famaranana ny vavaka ihany fa amin'ny fahitana na fampiasana zava-masina. Saingy mijanona ho fombafomba amam-pahazarana ihany ve?
Ny stauros izay mariky ny fijaliana sy ny fihetrena farany ambany (kenosis) nanehoan'i Kristy ny fitiavany (Vakiteny II Fil 2,6-11) dia mahavonjy noho ny finoana entintsika mibanjina azy. Na ny Vakiteny I (Fanis 21,4-9) mitantara ny fimonomonon'ny vahoaka, izay nisafidy ny ho voky hena sy tongolo toy izay higoka ny hafalian'ny maha-olona afaka... Ny bibilava mahamay no nahatonga saina azy ireo, nahatsapany ilay Tompon'ny aina ka niekeny ny fahotany. Ny finoana nentina nibanjina ilay bibilava varahina nno nahasitrana. Fibanjinana midika ho tsy fitokisana amin'ny herin'ny tena intsony fa miaiky ilay hany mamono sy mamelona. Dia toy izany koa isika izay rehetra mino ny Zanak'Andriamanitra : mino fa Izy no loharanon'ny fiainana, mino fa Izy no ilay Mpamonjy (Yesouah) an'izao tontolo izao (Jn 3, 13-17).
Toa adinontsika anefa mazàna ny hevitr'izay ataontsika ka entim-pahazarana ihany. Tsy ratsy sanatria ny fahazarana satria mety hanampy antsika hisedra ny fahalainana sy ny fahasairanana, saingy mety hanakana antsika koa tsy handroso amin'ny tsaratsara kokoa. Impiry isika no manomboka an-kafaliana ny androntsika amin'ny famantaran'ny hazofijaliana ohatra, saingy mandà tsy hitondra izay fijaliana atolotr'Andriamanitra antsika hahafahantsika itia bebe kokoa.
Hazofijaliana no anarana hafa azo iantsoana ny fitiavana, ary izany no ilazan'i Kristy antsika fa izay manaraka azy dia mila mitondra ny hazofijaliany, satria ny fifankatiavana no hahafantarana ny tena mpianany. Alao hery ary, satria ny stauros dia avy amin'ny fototeny 'istèmì izay tsy midika fotsiny hoe famantsihana (fitazonana amin'ny fantsika) fa koa fitozoana amin'ny ezaka efa natomboka.
Heveriko fa adidintsika ny mandini-tena amin'izay tsy fanekentsika ho mpianatr'i Kristy isaky ny mandà tsy hitondra ny hazofijaliantsika. Amin'ny fandinihan-tena sy ny vavaka samirery ataontsika dia aoka asiantsika toerana misimisy ny fandinihana ireo fandavan-tena sy sacrifices nolavintsika. Tsy ny herin'ny tenantsika anefa no hitondrantsika ny hazofijaliana fa ilay halehibeazan'ny fitiavana nentin'Andriamanitra nitia izao tontolo izao. Raha tsapantsika marina tokoa fa ny Hazofijalian'i Kristy no nahazoantsika ny famonjena dia ho maimay ny fontsika hanambatra izay kely tojo antsika hamenoana ny tsy ampy amin'izay niaretan'ny Tompo ho an'ny Fiangonana vatany Masina (Kol 1, 24).
Mistery mandrakariva anefa ny fiainana, ary ny fangitakitahana na ny mety ho famohizam-po aza manoloana ny fijaliana mianjady na amin'ny tena na amin'ny olo-mamy dia mampametra-panontaniana lalandava ny amin'ny antony hijaliana sy ny sitrapon'ilay Andriamanitra Fitiavana, mahefa ny zavatra rehetra, nefa mamela hijaly.
Ao amin'ilay Fijaliana mahavonjy (salvifici doloris), hoy ny Mpanompon'Andriamanitra, Joany Paoly II tamin'ny taratasy nosoratany[1] no hahitantsika ny valin'izany satria ny Fitiavana no nandresen'i kristy ny fijaliana, ary ny fiombonana amin'ny fijaliany no vimiaina hahafahantsika mampivelatra ny fontsika hitia.
[1] Jean Paul II, lettre apostolique Salvifici doloris, du 11 février 1984