{mosimage}"Nahita izy ka nino" (Jo. 20, 8) Vaninandro vaovao no manomboka. Tsaroany avokoa ireo teny rehetra nolazain'i Jesoa fony izy mbola teo anivon'izy ireo. Ary tsaroany indrindra ilay alina izay nanankinany ny lohany teo antratrany tamin'ny alakamisy talohan'izao fotoana nitsanganany izao. Ny nisamborana sy ny nitsarana azy, ary ny namantsihana azy ny zoma hariva. I Joany izay nahita ny lambam-paty nivalona sy ny fasana foana no lazaina eto. Vavolombelona niaina mivantana ny nanamelohana sy ny namantsihana ary ny nahafatesan'i Jesoa izy... dia mbola io indray fa vavolombelon'ny Fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty. Izay vao nanomboka azony ny tena dikan'ilay Fanjakan'Andriamanitra izay nolazain'i Jesoa. Hay Fanjakana nandresy ny fahafatesana. Fanjakana tsy ho tapitra intsony.
Vaninandro vaovao ho an'ny Mpino koa ny Paka. Vaninandron'ny fahazavana
vaovao. Niara-maty tamin'i Kristy ary miaraka mitsangana aminy (Kol. 3,
1). Resy ny fahafatesana. Resy ny fahataperana. Ho an'ny mpino aloha
voalohany indrindra izany fahasoavana izany. Toa ireo mpianatra
vitsivitsy izay nisehoan'i Jesoa manokana. Anjaran'izy ireo kosa indray
avy eo no mizara azy ho an'ny hafa. Izay no atao hoe mijoro ho
vavolombelona. Rehefa mahazo ny fahazavana ny mpino ka mitahiry izany
fahazavana izany tsy ho faty dia tsy ho takona afenina fa ho zary
fahazavana ho an'ireo rehetra izay manodidina azy. Ny fijoroana ho
vavolombelona voalohany dia ny mitahiry ny fahazavana voaray mba
haharitra. Tsy hatahotra hisedra ny haizina intsony satria efa mazava.
Ary hitondra fahazavana ho an'ireo rehetra izay mbola ao anatin'ny
haizina ka miandrandra izany fahazavana izany koa.
"Nitsangana tokoa i Kristy, Aleloia!"