Tsy ho hainay ny tsy hitory...

hafenoana.jpg

Seha-piainana goavana izay nandalovan'ny Mpianatr'i Jesoa ny Fitsanganany tamin'ny maty. Tsy hay norefesina ny alahelon'izy ireo nony nandre fa maty tamin'ny fomba mahatsiravina ny Tompo. Koa vokatr'izany dia tsy hita pesimpesenina koa ny hafaliana nony tsapany fa velona izy. Na dia mbola teo ihany aza ny maha-olombelona tsy ampy finoana dia goavana be loatra ny vokatry ny Vaovao Mahafaly ka tsy nisy nahasakana ny fitoriana izany. Mova tsy toa ny olona iray izay nahazo fahasoavana goavana izay tsy mahay mitana izany ho azy fa tsy maintsy milaza amin'ireo manodidina azy. Izay ilay mijoro ho vavolombelona.
Isanandro isika dia miaina izany fahasoavan'ny maha Mpino izany. Mandray hafaliana, fiadanana sy fitiavana satria miaraka amin'i Kristy. Raha tena lehibe izany hafaliana vokatry ny fitiavana izany dia tsy hiandry mpaniraka akory dia hitory azy amin'ny hafa.

Ny tena Fitiavana dia fitiavana zaraina.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103