Dimampolo
andro aorian’ny fankalazana ny paka ny fetin’ny pentekôty. Fety ankalazana ny
nidinan’ny Fanahy masina tamin’ireo Apôstôly. Tanteraka
izay nampanantenainy talohan’ny niakarany any an-danitra, dia ny handefasany ny
Fanahiny.
Tamin’io
andro io no niandohan’ny Fiangonana voalohany. Rehefa nandray ny Fanahy Masina
manko ireo Mpianatra tamin’izay dia feno hery, ary lasa sahy nitory an’i Kristy
vaovao Mahafaly, rehefa niery tsy sahy niseho vahoaka noho ny tahotra
talohan’izay !
Izao
pentekôty izao no fotoana ivavahantsika ho an’ny Fiangonana. Fotoana ihany koa
andinihantsika ny fiombonantsika amin’io Fiangonanan’i Kristy io.
Tsara
koa ny amerenenana etoana ireo fanomezana fito ny Fanahy Masina sy ireo
fanomezam-pahasoavana sivy any Aminy (Charismes). Tany amin’ny katesizy fahiny
no nianarana azy, saingy fotoana amelombelona hatrany ny finoantsika izao. Izay
no anton’ny fankalazana ao amin’ny litorjia. Natao hamelombelomana, sy koa
hanamafy ny finoana.
Fanomezana fito
ny Fanahy Masina (1kor
12,8-11.) :
Nisy
ny natsoina ho Apôstôly,
ho mpaminany;
ho mpampianatra;
ao ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana,
hanasitrana
ny marary, ao koa ireo izay hanampy,
hitondra,
hiteny
fitenysamihafa,
handika
teny.
Tsy ampy iray ny fanomezan'ny Fanahy Masina voatanisa eo: Ny fifidianana.
Ny vokatry ny Fanahy sivy dia ao amin'ny Galata5,22-23a
"Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,fahalemem-panahy, fahalalana onona"