Ny mahihitra no lany be

ordinaire_c_11.jpg

Anisan'ny mampiavaka ny Andriamanitry ny kristianina ny hatsaram-po. Fitiavana izay manome mihoatra noho ny angatahina. Andriamanitra tsy manaraka ny kajy mahazatra ny olombelona. Mifandraika indrindra amin'ny fiteny malagasy hoe "izay mahihitra no lany be". Ho azy tokoa mantsy dia izay manome no mahazo tombony, izay mizara no mahazo, izay mijaly no sambatra ary "izay mahafoy ny aina no hahavonjy azy". Ny Evanjely androany dia mampiseho an'io toetran'Andriamanitra io. Izay manolotra maimaim-poana dia hahazo mihoatra izay nandrandrainy. Ilay vehivavy janga izay namaoka ny tongotr'i Jesoa, endrika iray nankalazany ny maha Andriamanitra azy, dia nomen'i Jesoa famelan-keloka. Nomeny betsaka kokoa noho i Simona izay nampiantrano azy. Ho an'Andriamanitra dia ny fitiavana no lehibe indrindra. Ary na dia samy fitiavana aza dia omeny lanja kokoa indray ny fitiavana maimaim-poana. Omeny valiny bebe kokoa izay mitia tsy mila valiny. Androany dia mitaky mivantana izany fihetsika mitia tsy mila valiny izany Andriamanitra. Rehefa miala eto ianao dia manaova asa mivaingana iray mampiseho fitiavana maimaim-poana. Ataovy ao anatin'ny adin'ny iray aorian'izao fotoana izao mba tsy ho hadino.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578