Noely 2007 - taona A

Voninahitra
ho an'Andriamanitra!

Fiadanana ho antsika
olombelona namindrany fo!

trinita-natale_2.jpg

Fanazavana ny sary amin'ny teny Malagasy, frantsay na italiana

Izany antsa noventesin'ny Anjely hiderana an'Andriamanitra izany koa no hifampiarahabantsika nahatratra izao Noely izao. Nahavita izay dingan'ny Fiaviana izay, 23 andro niomanana amin'ny fankalazana ny Noely.

Amin'ireo vakiteny [1] notsongaina hankalazana ity fety lehibe ity, dia avohitry ny Litorjia ny hafaliana tokony hanenika ny fontsika sy ny anton'izany hafaliana izany. Ireo Salamo setrin'ny vakiteny dia hobin-kafaliana noho ny fandresena azo niaraka tamin'ny Tana-maherin'Izy Tompo! Noely ny andro satria "tonga olombelona ny Zanak'Andriamanitra, mba hanandratra antsika ho tonga zanak'Andriamanitra". Noely ny andro satria mandresy ny haizina ny hazavàna! Noely ny andro satria Miara-Monina amintsika Andriamanitra : Emanoela!

 

Kanefa afaka mihira fahafahana ve any an-tany fahababoana? Afaka mifaly ve ao anatin'ny fahasahiranana sy ny adim-piainana mahavaky ny loha? Ireo niangaran'ny vintana ka mizaka ny tsy eran'ny aina ve afaka hilaza fa tia azy Andriamanitra? Firifiry ny midradradradra, mitaraina, miandrandra famonjena? Azo antsoina ho Noely ve ny fandaniana mihoam-pampana ataon'ny manana manontany ny ory? Azo lazaina ho Noely ve ny fanararaotana etsy sy eroa, hanaranam-po amin'ny fifaliana na amin'ny fimamoana aza sanatria, kanefa any ho any misy tsy manana na dia trano hatoriana aza ka mbola manohy ny fijalian'ilay teraka tao an-davabato?

 

Dia izany ny Noely, tsy sanatria "asan-tanana mamirapiratra" antsoina ho tranon'omby [2], hiezahana hanadinoana fa ilay "Mesia" tonga hanafaka dia nisafidy ny "tranon'omby" ho toerana hahaterahana, "lava-bato" izay maneho ny fandeferana sy ny famindram-po, ary maneho ihany koa ny fiaraha-miory amin'ireo toa niangaran'ny vintana!

Noely ny andro! Dia ho sanatria ve mbola any an-tranon'omby no hahaterahan'i Jesoa satria "tsy nety nandray azy ny olony?" Noely ny andro rahefa tsapantsika fa eo anivontsika ilay Mpamonjy antsika, ka na ny endrik'i Maria sy Josefa Mahantra aza no handondòna, hitalaho amintsika mba hiantranoany ao am-pontsika dia ekentsika am-pifaliana!

 

Noely ny andro rehefa hidodododo sahala amin'ny Mpiandry ondry isika, hizaha ny zavatra vao nampahafantarin'ny Tompo antsika!

 

Irariako ny mba hanaovanao Noely Sambatra! Irariako mba tsy ny fitiavan-tena intsony no hanjaka ao am-pontsika fa ilay "Voninahitr'Andriamanitra" hifampiarahabantsika, mba hanjakan'ny Fiadanana koa ety ambonin'ny tany!

 

Miarahaba anao hahatratra [3] ny Noely!



[1] Misy lamesa efatra ny fankalazana ny Noely ka ireto avy ny vakiteny amin'ireo Lamesa ireo :

[2] Aza adino fa ny tranon'omby dia vokatry ny fanirian'i Md François te hankalaza ny noely tany Betlehema, kanefa noho ny antony maro dia mbola teny an-dalana izy ny 25 desambra : ananantsika ve izay fanniriana te-hiaina indray ny fahantran'i Kristy toa an'i François rehefa manamboatra ny tranon'omby isika???

[3] Jereo eto amin'ny teny Malagasy, frantsay na italiana (e la coronna dell'Avvento!)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762