Mifalia ry ilay Feno Hasoavana

Assomption

Mankalaza ny nampakarana an'i Maria any an-danitra isika androany. Tsy voalaza ao anaty Baiboly ny momba io tantara io saingy efa tao am-pon'ireo Kristianina hatramin'izay ka hatramin'izao. Nifampitan'ny taranaka mifandimby teo anivon'ny Fiangonana. Nohamafisin'ny Papa Pio XII tamin'ny taona 1950 ary fa foto-pinoan'ny Katolika ny nampakarana an'i Maria any an-danitra.
I Maria dia ilay Feno Hasoavana, ilay Nosohavin'ny Tompo, Renin'Andriamanitra. Koa izany maha-reniny azy izany no tsy namelany azy ho lò tao am-pasana fa nasandrany ho eo anilany. Izany finoana izany indrindra no manentana ny Katolika hiaraka hivavaka amin'i Maria. Hiantso isanandro hoe "Mivavaha ho anay". Satria tahaka ilay tao amin'ny fampakaram-bady tao Kanà dia matoky fa mbola eken'i Jesoa hatrany ny fangatahan-dReniny.
Tombontsoa manokana nomena antsika ny fananana Reny izay olombelona mitovy amintsika sy azontsika resahina isanandro hampita ny fivavahantsika amin'i Jesoa. Koa ndeha ary hiaraka amin'ilay Reny isika, hametraka ny fitokisantsika fa Reny miara-mivavaka amintsika tokoa izy. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01