Ilay mpiandry ondry tsara

mpiandryondry.jpg
Tsy mba mandroaka, na manosika avy aty aoriana... fa mitari-dalana sy arahin'ny ondriny. Mahalala ny ondriny tsirairay ary fantatry ny ondriny amin'ny feony. Matoky ny ondry 99 ka mitady ilay ondry iray nania. Miambozona ilay ondry nania sy mitondra azy hiverina ao am-bala. Mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny. Ireo ny toetra nananan'ilay Mpiandry ondry Tsara. Mahafoy izay tokony ho an'ny tenany. Fitiavana mahafoy. Fotoana hivavahana ho an'ireo mpitarika ny Fiangonana izao fotoana izao. Mba homen'Andriamanitra hery hatrany izy ireo eo amin'ny antso sy iraka natolony azy.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0827