Fiadanana toa inona?

paix.jpg

Mbola tohin'ny hafatra farany ihany no nolazain'i Jesoa amin'ity alahady ity. Dia ilay hafatra momba ny fitiavana sy fiadanana. Ao anatin'ny fifankatiavana no hisian'ny fiadanana. Tsy mba toa ny fiadanana hita eo amin'izao tontolo izao, izay indraindray miadana ivelany. Fa fiadanana maharitra. Tsy azon'olon-tokana ny fiadanana... fa ny tondro tokana tsy mahazo hao. Ny olona miray hina sy mihavana ihany no miaina ao anatin'ny tena Fiadanana. Safidy ny fiadanana fa tsy anjara. Raha misafidy ny fitiavana sy fihavanana isika dia hiaina ho azy ao anaty Fiadanana. Zarao ary ilay fitiavana, ampitao ilay fihavanana. Atomboka eo amin'izay akaiky anao indrindra, hitarina eo amin'ny fiaraha-monina sy ny manodidina, avy eo ho an'ny olon-drehetra, eny fa na dia ny Fahavalo aza. Dia ho tsapa avy hatrany ny fiadanana. Fiadanam-po sy saina ary fanahy.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01