Fankalazana ny Fetin'ny Olomasina sy Fahatsiarovana ny nodimandry

Ny Hasambaran'ny lanitra

toussaint.jpg

Ny fahatsiarovana ny havana nodimandry dia tsy famohazana fota-mandry tsy akory fa kosa fanamafisana ny finoana fa misy ny lanitra. Isika mivahiny ety an-tany, voaantso ho masina, voaantso ho sambatra (Evanjely Mt 5, 1-12) dia antsoin'i Kristy hahatsapa ny hasarobidin'ny Fiainana... "Tonga aho, hoy izy, mba hahananareo ny Fiainana, ary mba hananananareo azy amin'ny hafenoany" (Jn 10, 10). Tsy mora anefa ny hanome heviny ny fijaliana : fahantrana, fandeferana ny tsy rariny, fitomaniana, hanohanana sy hetaheta... Tsy mora toy izany koa ny hitandrina ny hadiovam-po, ny hamindra fo amin'ny fahavalo sy ny rafy...

 

Kanefa tohin'ny evanjely nohenointsika tamin'ny alahady, sarotra ho an'ny mpanakarena ny hiditra amin'ny fanjakan'ny Lanitra (Lk 18, 24), saingy kosa "Izay tsy azon'ny olona atao, dia azon'Andriamanitra atao" (v. 27). Izay fahefan'Andriamanitra entiny maneho ny indrafony izay no ankalazaintsika amin'ny andro anio : ny voninahitry ny olomasiny. Tsy kivy isika, satria ampian'ny vavaka ataon'ireo nialoha lalana antsika, dia manavao ny toky fa tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao, ampy ho toky hihatrehantsika ny fahasarotan'ny fandavorarian-tena ny fahasoavany.

 

Ny fety anio sy ny fahatsiarovana ny nodimandry rahampitso dia tsy afa-misaraka. Ny hafaliana androany hahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra antsika zanany (vakiteny II 1Jn 3, 1-3) dia tokony hampiredareda ny faniriantsika ny lanitra. [1] Dia zary fiononana ho antsika koa ho an'ireo nodimandry havantsika, satria mamoha fanantenana vaovao ny hihaonantsika aminy indray rehefa avelan'Andriamanitra ny sazim-pahotany [2].

 

Iza no hiakatra ny vohitry ny Tompo? Iza no honina ao an-dapany? (Salamo 23 setriny) Izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mianiana hahavoa ny namana... Ndeha ary samy hiezaka amin'izany satria tsy misy heviny ny fivavahana ho an'ny maty raha sanatria ka ataontsika tsirambina ny fanamasinantsika tena, satria raha hivavahantsika ho any an-danitra ny havantsika nodimandry nefa isika tsy te ho any, moa mba misy heviny ve izany???



[1] jereo eto manazava izay maha-zanak'Andriamanitra antsika izay..

[2] Jereo eto ho fanampiny

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096