Be ny vokatra Tompo o, ny mpijinja no vitsy

 

ble-moisson.jpg

 

Tamin'ny heriny dia niresaka momba ny Antson'Andriamanitra amin'ny ankapobeny isika. Samy voaantso hitory daholo ny olona rehetra na amin'ny fiteniny na amin'ny fomba fanaony na amin'ny maha izy azy fotsiny mihitsy. Tsy ifanavahana izany antso izany. Androany kosa dia asehon'i Jesoa fa misy ireo olona ilainy manokana kokoa hanitatra izany Fanjakany izany. Na dia samy voaantso aza dia misy ireo omena adidy bebe kokoa ary misahana fotsiny izany adidy izany ka tsy mihevitra zavatra hafa intsony. Izany indrindra no anton'ny fisian'ny Pretra sy Relijiozy. Nantsoina izy ireo mba hataony laharam-pahamehana kokoa ny asan'ny Tompo. Sarotra izany asa izany, mila fahafoizan-tena sy herim-panahy. Izany indrindra no anasàna antsika hanampy azy ireo. Tsy ho very fa hotsaroana ny fanampiana ny mpanompon'Andriamanitra. Ary raha tsy afaka manampy amin'ny ilain'ny fiainana isanandro dia afaka manampy amin'ny ara-panahy. Adidin'izy ireo ny mitondra ny fiainantsika am-bavaka... fa adidintsika kosa ny manohana azy ireo. Fotoana araraotina hivavahana be be kokoa ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy androany. Hivavaka isika mba ho maro hatrany ny ho voaantso sy hamaly ny antso. Aniraho mpijinja ny sahanao, Tompo.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0704