Ao e ny Tompo, miantso anao Izy.

Angamba tsy kisendrasendra fotsiny raha toa mitohy ny hevi-dehibe tamin'ny heriny sy tamin'ity alahady androany ity. Tamin'ny heriny dia nolazaina fa vao tany ambohoka i Joany Batista dia efa nantsoina hanomana ny lalan'ny Tompo. Nolazaina tamin'izany fa isika rehetra koa dia voaantso ho fitiavana hatrany ambohoka. Androany indray dia mbola fanamafisana izany antso izany hoe "Ny Tompo mihitsy no miantso". Miantso antsika hiara-miasa aminy ny Tompo na dia mahefa ny zavatra rehetra aza izy. Ary izany antso izany dia antso hentitra. Averimberina hatrany fa voakasik'izany antso izany daholo ny rehetra. Tsy hoe ny pretra sy relijiozy ihany no tokony hanitatra ny fanjakan'Andriamanitra fa ny rehetra mihitsy. Na ao amin'ny fianakaviana, na eo amin'ny manodidina, na eo anivon'ny fiaraha-monina, firenena sy izao tontolo izao mihitsy dia voaantso sy voairaka ny tsirairay. Ary iraka laharam-pahamehana izany. Ny antson'ny Tompo no mandeha alohan'ny faniriana sy ny fombafomba... ka na ny maty aza dia avela handevina ny maty ao aminy. Ary izay voaantso tsy tokony hitodika hiverindalana intsony. (Lk 9. 51-62). Anjarantsika sisa no mamaly.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105