Ampianaro mivavaka izahay

Alahady tsotra faha-17 mandavan-taona

 

"Ampianaro mivavaka izahay, tompoko... tahaka ny nampianaran'i Joany ny Mpianany". Fangatahana mamintina ny fiainana iray manontolo io nataon'ny mpianatra iray tamin'i Jesoa io. Raha raisina ao anatin'ny trangan-javatra nanoratan'i Lioka azy, dia mazava loatra fa tsy miankina fotsiny amin'ny mety ho fampitahana ny fiainana amin'ny an'ny Mpianatr'i Joany...

Inona tokoa moa no tokony atao? handany ny andro any am-piangonana ve mba hivavaka, satria efa izay no hisafidianana ny anjara soa indrindra (tahaka an'i Maria tao amin'ny evanjely tamin'ny heriny) sa kosa handeha hivahiny, ka hanavotra izay mila fanampiana eny an-dalana tahaka an'ilay samaritana (Evanjely tamin'ny alahady 15)?

Mazava ny valin-teny amintinan'i Jesoa azy : tsy afa-misaraka ny vavaka sy ny fiainam-bavaka! Ny "vavaka, tsy sento fa tolona"... Ny fihaonantsika amin'Andriamanitra dia manosika antsika hitondra ny fitiavany amin'izao tontolo izao.

Mety hahalasa ny saina anefa ny hoe : "toa tsy mihaino vavaka Andriamanitra" nefa hoy i Jesoa hoe : "Izay mangataka no omena... "

Raha resaka hifanaovana amin'Andriamanitra no atao hoe Vavaka, dia mazava loatra fa izay tsy nahazo valiny dia tsy mba nivavaka satria tsy mba niresaka. Ny antony mahatonga ny resaka tsy hifamaly anefa tsy miankina amin'ny andaniny na amin'ny ankilany irery... mety hilaza ianao hoe : ka tsy mamaly ahy izy, ataoko ahoana ny fihaino ny teniny? tsy naheno izay valin-teniny aho : tsy mitsaha-miteny Andriamanitra, fa mazàna isika no marenina na manentsi-tadìny ka tsy maheno azy...

Angataho ary ny Fanahy Masina, fa tsy holavin'Andriamanitra hoy i Jesoa izay mangataka izany aminy. Angataho mba hahatsapantsika tokoa fa ny fitondran-tenantsika, amin'ny maha-mpino, amin'ny maha-zanak'Andriamanitra antsika no hanamasinantsika ny anarany. Aza adino fa fitaovana entin'Andriamanitra hanatanterahany ny Fanjakany isika, ka ho sanatria ve, avy mangataka ny hanina sahaza ho antsika isan'andro, dia handà tsy hanome ny amby ampy ho an'ireo mitofezaky ny hanohanana?

Raha sanatria izany, ilao fisainana ny fanononana ny fivavahana nampianarin'ny Tompo.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1806