Alahalady faha-2 Fiaviana taona A

Mibebaha fa akaiky ny Mesia

voromailala.jpg

Nankalaza an'i Masina Maria Tsy azon-keloka isika ny 8 Desambra. Fankalazana hahatsiarovana indrindra ny tokony ho fitondran-tenantsika eo anatrehan'Andriamanitra. I Maria no ilay Eva vaovao. Raha "Renin'ny Velona" no dikan'ny teny hoe Eva, dia mazava loatra fa "Renin'ny Fiainana" i Maria, satria i Kristy no Fiainana. Raha tahotra no nameno ny fon'i Adama satria nanota (Jen 3, 7-15.20), dia hafaliana kosa no nanentana an'i Maria, satria mahatsiaro fa voavonjy sy afa-keloka : "aza matahotra, ry Maria fa sitrak'Andriamanitra ianao…" (Lk 1, 26-38) Mpamindra fo ny Andriamanitsika, Fitiavana Izy ka tsy tokony hatahorantsika.

Amin'ity alahady faharoa ity kosa, dia miompana indrindra ny amin'ny "vokatry ny fibebahana" ny Vakiteny : "Manaova asa fibebahana mendrika tsara"[1] (Mt 3, 1-13). Fa inona ny Fibebahana? Metanoia! hoy ny teny grika : fiovana toe-tsaina… Dia izay ny manampy antsika handalina ny fampianaran'i Joany. Adidintsika ny midina ao amin'ny onin'i Jordany,[2] izay fanekana ny maha-mpanota antsika. Kanefa ilay Fanahy hanaovan'i Kristy Batemy antsika no tena manova ny toe-tsaina.

Io Fanahy io no "mampiray hevitra araka an'i Kristy" (Vakiteny II), io no mampifankatia, ka "hahafahan'ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry" (Vakiteny I) satria mahita mandrakariva ilay "endik'Andriamanitra tsy hay vonoina" ao amin'ny olombelona tsirairay… "endrik'Andriamanitra" maratra fa tsy voafafan'ny fahotana!

Impiry moa isika no mihevitra ny hafa ho mitovy amin'ny alika! Angamba hilaza toa an'i Joany amin'ny hafa koa hoe : "fetsiratsy, taranaky ny menarana"! Kanefa raha ilay Fanahy nanangana an'i Kristy ho velona, ilay Fanahy fototry ny finoantsika, no mameno ny fontsika, dia tsy ho fanamelohana na ho fankahalana na sanatria ho fanilihana na fitsoahana no asetritsika azy ireo, fa toa an'i Joany : torohevitra sy fananarana, fankaherezana… ary tsy miambo akory hahatontosa izany fampibebahana izany satria mahatsapa fa "feo" ihany izy, fa i Kristy no manao Batemy amin'ilay Fanahy Manamasina sy mandio.

Dia hialona ve isika raha mibebaka ka tonga masina kokoa noho isika ny "Jentily" izay mankalaza an'Andriamanitra noho ny famindram-pony! (Rm 15, 9)



[1] Ara-bakiteny, dia adika toy izao Ampamokary ny fibebahanareo!: Ka,mete loipo.n karpou.j avxi,ouj th/j metanoi,aj Ampamokary ny fibebahanareo!

 

[2] Adika ara-bakiteny hoe fidinana (tandindon'ny fanetren-tena)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0695