Alahady voalohany Taona A Fiaviana

Aza revon'ny ambanimaso fa aoka ho avo fijery!

 "

Ny vavaka fangatahana amin'ny alahady I Fihaviana dia mamintina ny ezaka hataontsika mandritra ty taona litorjika ity : "hahery fo hino an'Andriamanitra, ka ho masim-piainana hitsena an'i Kristy ka ho mendrika hitoetra eo anilany (an-kavanany Mt 25) any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra". Mazava loatra fa ny hahafahantsika hitoetra eo an-kavanan'i Kristy, araka ny Evanjely nosoratan'i Matio (Mt 25, 31-46)[1] dia ny soa ataontsika amin'ireo toa niangaran'ny vintana, ny fanehoantsika fitiavana amin'ireo mahantra sy fadiranovana.

Fotoana fanomanana ny Noely ny Fihaviana araka ny mahazatra antsika : fahatsiarovana ny fahatongavan'ilay zanak'Andriamanitra ho nofo teo anivon'ny tantara (2000 taona lasa), kanefa koa sady fankalazana Azy mitoeta mandrakariva eo anivontsika, indrindra aoa min'ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Fiangonana, ary fiandrasana ny Fiaviany am-boninahitra izay lazain'ny Evanjely amintsika fa mitaky fahavononana (Mt 24, 37-44).

Mety hahalasa ny saina hoe : fa maninona no vao manomboka ny taona litorjika dia ny Farandro[2] no lazaina? Ireo tebiteby sy ady tantarain'i Matio antsika dia famantarana ihany; Ambaran'ny Mpaminany amintsika manko (vakiteny I Is 2, 1-5) fa ny firenena manaiky ny Tompo ho Andriamaniny dia hizotra araka ny fahazavany (jereo koa ny Vakiteny II Rm 13, 11-14 = hitafy ny fiadian'ny mazava) ka hatambatry ny Fifankatiavana, hany ka ny fitaovam-piadiana ho zary fitaovam-pamokarana. Mampandini-tena ary tokony hampandinika antsika mpanara-dia an'i Kristy ny fahitana ny vola lany hamokarana fitaovam-piadiana toy izay hanampiana ny mahantra handresy ny habadoana sy ny hanohanana! Ho nofinofy anefa izany Fiadanana izany raha tsy ho zary hafaliana ho antsika ny ho any an-tranon'Iahveh (Salamo setriny 121).

Hanomboka ity taom-baovao ity ary isika. Aza adino ny hafatr'Izaia amin'ny vakiteny I hoe : "Avy any Siona no hivoahan'ny Lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'ny Tompo" [3] (Is 2,3b). Raha alaina ara-bakiteny izany dia izay no fiainantsika : aoa natin'ny fahasahiranana (Siona =tany karakaina) no hanapahantsika hevitra matetika sy hilazana hoe Tsy mahavoa ahy intsony iny, hanao an'izao na hanao an'izatsy aho amin'ny manaraka... saingy tsy maharitra izany fa rehefa misinda ny halahelo sy ny manahirana dia miverina amin'ny "laoniny" (mahazatra) ny fiainana. Aza hadinoina ary fa ao anatin'ny fiadanam-po no tokony hihainoantsika ny Tenin'ny Tompo[4] sy hahafahantsika maharitra amin'ny fanompoana Azy sy hivonona mandrakariva amin'ny hihaviany.

Dia izay no hirariako soa ho anao : Bonne année! Satria ilay Andrasantsika dia efa eo anivontsika ary miaraka amintsika mandrakariva manomana ny fiaviany am-boninahitra.



[1] Io no hamaranantsika ity taona litorjika ity. Ny fanentanana rehetra araka izany dia tokokny hiompana amin'izay fahitana an'i Kristy Mpanjaka izay (amour préférentiel pour les pauvres)

[2] Ny toko faha-24 amin'ny evanjelin'i Matio dia milaza ny momba ny farandro sy ny faharavan'i Jerosalema (Mt 24)

[3] !AYci Tsiyown midika hoe : Tany karakaina, manambara ny olana sy ny zava-mahaporitra ao amin'ny fiainana, ~l;iv'Wry> Yeruwshalaim midika hoe : fototry ny fiadanana, tanànan'ny fiadanana...

[4] Araka an'i Matio (Mt 24, 35) dia io ilay teny tsy ho levona mandrakizay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1333