Alahady faha-34 D tsotra mandavan-taona

I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao

I Kristy Mpanjaka, hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra.

12.gif

Mifarana ny taona litorjika[1] nandalinantsika manokana miaraka amin'i Lioka ny fibebahana sy ny Famindrampon'Andriamanitra. Indraindray anefa dia toa tsy voadinika loatra ny momba izany taona litorjika izany, toa tsy mampaninona avy, satria heverina ho tsy misy zavatra miova loatra, afa-tsy ny Evanjelista sy ny hoe taona A na B na D...

 

Raha faran'ny taona androany, dia manampy antsika hanao jery todika ny taona manontolo ny Fetin'i Kristy Mpanjaka. Ny taona A (fandalinana ny sakramenta firosoana ho kristiana), dia manolotra antsika ny Evanjely nosoratan'i Matio (Mt 25, 31-46) mamintina ny tokony ho fiainan'ny Kristianina raha manaiky an'i Kristy ho Mpanjakany : hampanjaka an'i Kristy amin'ny fampanjakana ny Fitiavana amin'ireo madinika sy toa niangaran'ny vintana, hiezaka hahita ny hendrik'i Kristy ao amin'izy ireny...

 

Ny taona B (Fandalinana ny firaisan'aina amin'i Kristy) kosa indray, milaza amintsika fa rahefa mifampikasoka amin'i Kristy Tafatsangan-ko velona marina isika, dia hahatsapa fa tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakany, fa ho an'ireo izay rehetra mihaino ny marina (Evanjely Jn 18, 33-37). Izay te hampanjaka an'i Kristy araka izany dia mampanjaka ny rariny sy ny Fitiavana.

 

Androany kosa, taorian'ny famakivakiana ity taona litorjika ity (taona D : ny fibebahana sy ny famindram-po), nandalinana indrindra indrindra ny Fampindrampon'ny Ray izay toa tsy miraharaha akory ny adalan-janany (Lk 15) fa vonona ny hamindra fo mandrakariva, hatramin'ny impitopolo fito (Mt 18, 21-22 // Lk 17,4), dia mampiseho amintsika ny Fiangonana amin'ny fandaharany ny vatsim-panahy asehony antsika, fa eo am-pialana aina dia mbola famelana no nanehoan'i Kristy ny maha-Mpanjaka azy : "Lazaiko marina aminao tokoa, fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao" (Evanjely), maneho antsika an'i Kristy hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra, Izy ilay ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika (Vak II).

 

Ny fandalinana izany rehetra izany no mahatonga saina antsika isan'andro handinika hoe : fa inona marina moa ity "Fanjakan'Andriamanitra" irintsika ho tonga isan'andro ity, isaky ny manonona ny Rainay any an-danitra isika! Ho tonga anie ny Fanjakanao! (Lk 11, 2).

 

Azontsika alalinina ny pejy roa hanazavan'ny Papa io vavaka io ao amin'ny bokiny[2]. Ny tiako hifampizarana aminao etoana dia ny ilazany fa "i Jesoa no Fanjakan'Andriamanitra tonga nofo", hany ka ny fangatahana ny hahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra araka izany, dia ny fanirìna mba hiombona bebe kokoa amin'i Jesoa, ho tonga vatana iray aminy" (Gal 3, 28), ary fangatahana mba hiombonan'ny olona rehetra aminy koa (1 Kor 15, 26-28), toy ny hanirian'i Kristy hamondronana ny zavatra rehetra aminy, tamin'ny alalan'ny Ray teo amin'ny hazofijaliana (Vak II).

 

Dia ho zary fanohitra hanentana ny fiainantsika ny tenin'i Jesoa hoe : "Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo ho famenony ny sisa rehetra" (Mt 6, 33). Dia ampahatsiahivin'ny Prefasy antsika anio fa fanjakan'ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan'ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan'ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana, ilay fanjakan'Andriamanitra mandrakizay manerana izao tontolo izao.

 

Ho tonga eo anivontsika anie izany Fanjakan'Andriamanitra izany.



[1]

 

Tanjona

hafatra

Votoantin-kevitra

Evanjely

taona
A

Fandalinana ny Batemy

Voaantso handalina ny firosoantsika ho Kristianina isika.

Fandaharana ireo laha-kevitra sy evanjely hifanaraka amin'ny fivoaran'ny maha-kristianina, araka ny drafitra katekomenaly.

MAtio sy Joany

taona
B

Fandalinana ny Fifandraisana amin'ny Misterin'i Kristy nitsanga-ko Velona

Voaantso handinika ny misterin'ny fahafatesana sy ny fitsanganan'i Kristy ho velona isika

Fandalinana ny fiainan'i Kristy, miampy ny fampianaran'i Joany voavelabelatra bebe kokoa

Marka sy Joany

taona
D

Fivalozana sy Famindram-pon'Andriamanitra

Voantso hizotra ny lalam-pivalozana isika, izay hany hahatsapantsika ny halalin'y Misterin'ny Paka, fara-tampon'ny Fiombonana amin'ny Ray.

Fandalinana manokana ny famindram-pon'Andriamanitra sy ny hafaliana vokatry ny fibebahana.

Lioka sy Joany

 

[2] Jesus von Nazareth, pp. 176-178, Edizione Rizzoli 2006

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101