Alahady faha-33 D Tsotra Mandavantaona

Ho avy ny farandro ary


hotsarain’Andriamanitra isika

pques2.jpg

Nampiavaka ny mpaminany Malakia[1] ny fanisiana tsindrim-peo amin’ny tokony hanadiovana ny fitondran-tena sy ny fomba fivavahana, izay tokony ho lalim-paka sy an-kitsim-po. Manoloana ny fitondrantena tsy lavorary nasehon’ny Mpisorona sy ny olana momba ny Fanambadiana, dia ambarany fa ”ho avy ny andro hiavian’ny Tompo” (Mal 3, 19-20), mahatahotra, kanefa koa mahavelom-panantenana : toa ho andron’ny valifaty, andro handraisan’ireo tsy mataho-tody ny sazy tandrify azy.

Mampametra-panontaniana anefa izany fanantenanana izany. Hatrany am-piandohan’ny fiangonana, i Paoly, raha nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1-12) no nilaza fa Fahamarinan’Andriamanitra ny “mamalifaty” amin’izay mampijaly antsika (2Tes 1,6) fa ny hany anjarantsika dia ny hisaotra an’Andriamanitra nandrakariva, hifanala halahelo ary haharitra amin’ny finoana sy ny asa soa (2Tes, 2, 13-17). Io faharetana io ihany koa moa no nasian’i Jesoa tsindrim-peo, satria antoky ny famonjena (Evanjely Lk 21, 5-19).

Olana roa no asiantsika tsindrim-peo amin’izay fiandrasana an’i Jesoa[2] izay: ny voalohany, momba ny fitondran-tena, ny faharoa momba ny fivavahana.

Raha ho avy i Kristy, ny fiandrasana ny fiaviany dia tsy hanaovana an-tsirambina ny andraikitra amin’ny fandavorariana ny eto an-tany sanatria. Mazava ny hafatr’i Paoly ho antsika ao amin’ny Vakiteny II : “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana” (2Tes 3, 10). Ny fiandrasana an’i Kristy araka izany tsy hamela antsika hanaonao foana fa “hijoro ho vavolombelona” na eo aza ny trangan-javatra mahatahotra sy ny ady aman-korontana isan-karazany (Evanjely).

Ny faharoa dia ny momba ny fivavahana: Maranatha! Avia, ry Jesoa Tompo. Aoka ho fo mahitsy no hivavahana hoy Malakia Mpaminany. Ny Salamo fandinihana (Sal 97) dia milaza ny hafalian’ny Mpivavaka, manentana ny tontolo hifaly satria tonga ny androm-pamonjena. Tsy ho azo eritreretina anefa ho antsika kristianina ny hivavaka ho an’ny fahavoazan’ny fahavalontsika. Tsy azo adino ny fampianaran’i Kristy ho antsika (jereo Mt 5, 43-48). Na amin’ity fiainana ity araka izany, na amin’ny fiainana mandrakizay, dia tsy tokony ho ny soa ho antsika no hivavahantsika, fa ny mba hiharihaian’ny voninahitr’Andriamanitra. Izany no tsy tokony hiheritreretantsika akory izay havalintsika satria tia antsika ny Ray.

Moa ve tsy fihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra ny fibebahan’ny mpanota? Tsy sanatria ary araka izany faniriana ny hahatongavan’ny andron’ny famaliana (valifaty) no hanentana antsika hiantso hoe “Avia, ry Jesoa Tompo”! fa kosa vokatry ny fitiavana sy ny fitokisana Azy…

Ny fotoanan’ny Fiandrasana araka izany dia fotoanan’ny “tolona” – satria manosika hiasa – sady fotoanan’ny fandinihana, satria raha tsy mendrika ny maha-antsika antsika ny fomba fiainantsika, ho zary andro mahatahotra ny fiavian’ny Tompo, ka mbola ho sahintsika ve ny hiantso ny fiaviany???

 



[1] %a'l.m; midika hoe : iraka à ykia'l.m; midika “ilay irako”.

[2] parousia : Fiavian’I Kristy am-boninahitra (azavain’I Paoly amin’ny taratasy ho an’ny kristianina tany Tesalonika (2Tes 2, 1)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098