Alahady faha-31 tsotra D Mandavantaona

Ny heloka hibabohana mody rariny

sacro_cuore.jpg

Ny vavaka dia tsy fifaninanana amin’ny hafa loatra fa fifanatrehana amin’Andriamanitra. Io no fampianarana naroson’ny Evanjely tamintsika tamin’ny alahady faha-30 [1] nitantara ilay Farisiana sy Poblikana. Nandritra iny herinandro iny koa no nankalazantsika ny fetin’ny olomasina rehetra sy ny Fahatsiarovana ireo nodimandry [2].

 

Mivavaka isika ary miezaka ny hampifanaraka ny fiainana amin’izany fivavahana izany : tsy fangatahana fotsiny araka izany ny vavaka fa “fiainana” [3]. Ny famantaran’ny hazofijaliana atao ny maraina dia misy heviny rehefa zakaintsika am-pitiavana ny fijaliana atolotry ny fiainana hozakaintsika. Tsy midika anefa izany fa Andriamanitra tia ny hijaliantsika ny Andriamanitsika. Fitiavana izy, ary asehony antsika isan’andro vaky izany fitiavany antsika izany.

 

Atolony antsika ho sazy antonony ny zava-mitranga matetika mba hanatsarantsika ny fiainana (Vakiteny I : Fah 11, 23– 12, 2 ). Ny mahakasika ny fo manko ka manova ny fiainana dia tsy ny sazy loatra fa ny fitiavana. I Zake, ilay tantarain’i Lioka antsika ao amin’ny evanjely (Lk 19, 1-10) dia nahatsapa ny fitiavan’ilay tonga mba hamonjy ny very.

 

Amin’ny eokaristia raisintsika isaky ny lamesa dia miangavy amintsika mandrakariva i Jesoa mba hiantrano ao am-pontsika. Angamba mety hilaina ny hihanika amontana, mba hahalala bebe kokoa ny momba azy [4], ilaina ny faniriana hahalala azy, fa ny mila dinihina isan’andro dia ny fanapahan-kevitra raisintsika isaky ny avy mampiantrano azy : toa an’i Zake ve ka hahafoy ny antsasaky ny fananana ho an’ny mahantra ary hanonitra avo efatra heny ny fanana’olona nalaina tsy an-drariny?

 

Manosika antsika hiova fiainana ny Eokaristia satria fihaonana amin’ilay Fitiavana mambabo ny fo, izay miantso antsika haniry ny tsara sy hikatroka ny asan’ny finoana (vakiteny II : 2Tes 1,11 – 2,2 ). Ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’io Sakramenta io no toky hahatsapantsika fa antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana (Sal 144) ka tsy ho kivin’ny kileman’ny tena, ary tsy ho sanatria ho tofoka amin’ny fahalemen’ny hafa fa hanadra-bavaka tahaka an’ilay nohamarinina tany an-tranony [5] (Lk 18, 9-14) hanao hoe : Mamindrà fo amiko Tompo o! fa koa tsy ho sasatra hitalaho toa an’i Paoly hanadra-bavaka ho an’ny hafa mba samy hihaina ny fiainam-pinoana avy ny tsirairay.

 

Samia ary mandini-tena amin’izay fihovana tandrify azy rehefa avy nampiantrano an’i Jesoa ao am-pony amin’ny Fandraisana anjara amin’ny Sorona masina.

 



[1] Jereo eto na ity : hohenoim-bavaka ny manetry tena.

 

[2] Fanampiny momba izany eto

[3] Azo andalinana an’izany ny famerenana mamaky indray ny Bokin’i P. G. Navone milaza ny Vavaka, tolona fa tsy sento

[4] Mbola miverina amin’ilay fanetren-tena lazaintsika ihany izay. Fihaikena ny kileman’ny tena ka mila fanampiana… izay no fiantombohan’ny heloka hibaboana…

[5] Ilay Poblikana lazain’i Jesoa

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763