Hohenoim-bavaka ny manetry tena
"Mivavaha mandrakariva sy amim-paharetana" hoy i Jesoa tamintsika.[1] Atao ahoana anefa ny hanatanterahana izany? Hano lemozy tahaka ilay Mpitondratena ve? Anisn'ny olana tsy azo hodian-tsy hita eo amin'ny fiaraha-monina manko ny hoe : Mihaino vavaka ve Andriamanitra?[2] Rehefa ao anatin'ny fahantrana manko ny olona dia sarotra ny hahatsapa fa fitiavana Andriamanitra, mahefa ny zava-drehetra ka mamela azy ao anatin'ny fijaliana manjò azy! Manomboka mivoatra indray ny fiainana, dia tsy asiana olana intsony ny momba an'Andriamanitra!
Tsy mijery ny filaharam-pambonian'ny olona Andrimanaitra, tsy mizaha tavan'olona Izy (Vakiteny I), tsy hoe ny hijanonantsika ao anatin'ny fahantrana tsy akory no sitrany. Eo anilan'ireo mijaly izy (Salamo setriny), tsy hoe mankasitraka ny fijaliana tsy akory, fa hanafaka azy amin'ny asan'ny ratsy fanahy (vakiteny II).
Tsy miankina amin'ny fahambonian'ny fari-piainana manko no maha-tsara na maha-ratsy, tsy fifaninanana amin'ny hafa ny vavaka. Ny Farisiana (Evanjely) dia manaraka ny lalàna, nefa mety ny mba ho hitan'ny olona na noho ny henatr'olona ihany no hanaovana izany! Ilaina ny ezaka hanatsara ny "fitiavana ny lalàna" mba hanjakan'ny "lalàn'ny fitiavana".[3] Ampy hahazoana ny fiainana mandrakizay ny fitandremana ny didy (Lk 18, 18-21), nefa lalam-pahalavorariana ny tsy miraikin-doha amin'ny harena sy ny voninahitra, mba hitiavana an'Andriamanitra aloha sy ambonin'ny zava-drehetra[4].
Ny vavaka manko, tsy fijerena ny tena eo anatrehan'ny hafa fa fametrahana ny fiainana eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy voafetran'ny fitanisana ny zava-bita ny vavaka, fa fiatrehana ny ho avy ihany koa. Ny fahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny halehiben'ny famindram-pony no avohitran'i Lioka amintsika fa tara-masoandro manosika ny fiverenana an-tranon-dray (Lk 15)[5] ary mbola hohalalinintsika amin'ny alahady heriny, momba ilay Zake mpamory hetra, vonon-kanonitra ny tsy rariny mety ho vitany (Lk 19, 1-10).
Na ao anatin'ny fijaliana àry isika, na miadam-pinaritra, samia mandini-tena eo anatrehan'Andriamanitra, hivavaka marina tokoa, hahatsapa ny maha-tsinontsinona antsika, izay no fanetren-tena[6], hahatsapa ilay fitiavana manosika antsika ho amin'ny tsaratsara kokoa hatrany.
[1] Evanjely tamin'ny herinadro, jereo eto
[3] Ny relijiozy mihiboka iray ohatra, tsy afaka hilaza tena ho masina noho ny Raim-pianakaviana reraky ny asa fitadiavana, satria ilay farany ity tsy mivavaka mihitsy, na manadino mivavaka, na mpijangajanga... Isika tsirairay samy mandini-tena hoe : nahoana aho no tsy sahala amin'ilay itsy iray itsy! Raha adino ny tombom-pitiavana (fahasoavana) manampy antsika hijoro dia izay no avonavona. Ny relijiozy mihiboka izany tsy hitsara ny habetsahan'ny vavaka vitany fa ny fitiavana sy ny fahazotoana mijanona mivavaka!
[4] Jereo eto raha mahaliana anao.
[5] Alahady faha-24 D : ny fahatsapana ny fitiavan'ny rainy no manainga ilay zanaka mpandany hody an-tranon-dray, fitiavana mety hahafohizana ny ondry 99 ao am-bala mba hitadiavana ilay iray nania...