Andraso am-pitokiana ny Tompo!
Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo!
Alahady "Gaudete" Mifalia! ity alahady ity noho io tononkira fidirana io. Na eo aza ny ahiahy mameno ny fo amam-panahy dia antsoina isika hifaly. Tamin'ny alahady faharoa dia nihaino ny fampianaran'i Joany isika : "Aoka hanao asa soa maneho ny fibebahana" (Mt 3. 1-12). Mitaky fanetren-tena izany, ary ny fanekentsika ny halemena no manosika antsika hitalaho ny fahasoavana sy ny famindram-pon'Andriamanitra.
Ilay Fanahy nanentana an'i Jesoa ary lazain'i Joany fa hanaovany Batemy antsika koa anefa dia tsy mitsahatra ny manadio ny fontsika. Ny vokatry ny Fanahy, hoy i Paoly dia "fitiavana, fifaliana, fiadanam-po…" (Gal 5, 22). Mahalaza ny votoatin'ny Tenin'Andriamanitra nifampizarantsika anio ireo : fitiavana izay nanentana ny fon'i Kristy hanao soa hatraiza hatraiza, nanasitrana ny rofy rehetra… fifaliana izay mameno ny fon'ireo izay matoky an'Andriamanitra, noho ny soa azon'ny olombelona rehetra… fiadanam-po enti-miandry ny famonjena am-pandeferana sy faharetana (Vakiteny II: Jak 5, 7-10), eny fa na dia mety tsy araka izay irìn'ny fon'ny olona aza, satria "manantena" sy matoky ny Tompo.
Tsy azo adinoina fa mampiavaka ny Mpaminany Izaia ny Fitokisana an'Iahveh. Raha nandindona ny fanafihan'ny fahavalo ka sahiran-tsaina nitady tetika sy nila vonjy tamin'ny Mpanjaka manodidina ny Mpanjakan'i Jodà, Izaia kosa nananatra ny Mpanjaka mba hatoky irery ihany ny Fahefan'Andriamanitra. Tsy hadinoina fa izany Fanantenana nameno ny fon'Izaia izany dia mifototra amin'ilay Voninahitr'Andriamanitra (Iz 6) manoloana ny fahotana sy ny fahalemen'olombelona : ny fahatsapany ny tsy fahamendrehany sy ny famindram-pon'Andriamanitra nanadio ny vavany sy maniraka azy hitory ny Teniny (Iz 6, 6-10). Dia izay voninahitra izay no ambarany ombieny ombieny… (Vakiteny I)
Mazava loatra araka izany fa fototr'izay fanantenana sy hafaliana izay ny fifandraisana amin'ilay Andriamanitra sy ny vavaka atao aminy. Tsy mihanona amin'ny vavaka iaraha-manao anefa, fa ilay vavaka "tena samirery" [1] izay hanamafisantsika ny toerana hametrahan'Andriamanitra marina eo amin'ny fiainantsika. Io no tena fototry ny fanantenana, hoy ny Papa ao amin'ny ansiklika nosoratany, na dia tsy azo atao ambanin-javatra aza ny fiaraha-mivavaka sy ny vavaky ny fiangonana (litorjia) izay manitsy sy manadio ny mety ho vokatry ny fitiavan-tena sy ny faniriana diso toerana ao amin'ny vavaka samirery...
Tsy hohadinointsika fa isika no antsoin'Izy Tompo hanohy ny asa fanavotana natombony : ny hitsarana natsika dia izay ataontsika amin'ny mahantra sy ireo atao tsinontsinona (Mt 25). Isika no tanana hanatontosa ny asam-pahamarinana tanisa'n'ny salamo setriny (sal 145) : manome rariny ny hampahoriana, hanome sakafo ny noana, hamaha ny mpifatotra…
Enga anie isika amin'izao fiomanantsika hankalaza ny Noely izao mba ho feno hafaliana lalan-dava ary ho loharanon-kafaliana, tsy hanadino ny dingana efa natomboka : hiandry am-pitokiana ny fiavian'ny Tompo, hibebaka sy handray ny Fanahiny, ary ho vonona hovolavolain'io Fanahy io, ho tonga iraka mpitondra fahafahana! Mpitondra Famonjena (miha-Jesoa).
[1] Ansiklika Spe salvi n° 34