Mahareta hanana ny soa
“Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?” Tsaroako ny tenin’i Jesoa tamin’ilay Boka samaritana sitrana tamin’ny heriny (Lk 17, 19) hoe “Ny Finoanao no nahavonjy anao”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana izay azo lazaina fa ilay fahaizana mankasitraka amin’ny soa noraisina, fankasitrahana ilay loharanom-pamonjena. Na izany aza anefa, tsy tokony hihanona amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra isika, mila mitalaho ihany koa, mila mivavaka lalandava sy am-paharetana (Evanjely).
Tsy ny fahaizana mankasitraka ihany araka izany no maneho ny finoana fa ny fanetren-tena hitalaho ihany koa. Ny faharetana mangataka manko dia manambara ny tsy fananana toky hafa azo hianteherana intsony. Tsy midika ho fanaovana filan-tsy mahita an’Andriamanitra anefa izany, ka tsy hidodododo any aminy raha tsy efa niala nenina tany an-kafa![1] Fitokisana manko ny Finoana.
Ilay mason’ny Mpanao salamo miandra any an-tendrombohitra miandry vonjy amin’ny Tompony, dia maso vonton’ny finoana sy ny fitokisana, eo ampamisavisana ny soa ataon’ny Tompo amin’ireo matoky azy : miambina lalandava amin’ny ratsy rehetra (Sal 120).
Izany fitokisana izany no ambaran’ny Boky Eksaody ihany koa (Vakiteny I) : ilay tanan’i Moizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita, ka tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra an amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alaln’ny Mpanompony.
Mino izany herin’ny Fivavahana izany ve isika? Anio rahateo[2] no ankalazana ny andron’ny fampielezam-pinoana, mampahatsiaro antsika ny hafatr’i Paoly amin’i Timote hoe : “Mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany” (Vakiteny II). Adidintsika noho ny Batemy noraisintsika ny mitory ny tenin’Andriamanitra, tsy amin’ny vava loatra fa indrindra indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Ny teny manaitra manko fa ny atao no mahatarika! Tsy manafoana ny herin’ny Fivavahana ihany koa anefa izany : i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely no mpiaro voalohany ny Misiona, masera tsy niala tao amin’ny monasterany, nanaiky ho “fitiavana” eo anivon’ny Fiangonana ka nanolotra ny fiainany manontolo ho vavaka, ho hery sy tohana an’ny mpitori-teny,.tahaka ilay tanan’i Moizy notohanan’i Aarona sy Hora[3].
Ho an’ny Mpitoriteny, hoy i Md Augustin, dia tokony hahay hiresaka amin’Andriamanitra, mialoha ny hiresaka momba an’Andriamanitra[4]. Samia ary mandinika ny fiainany, mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, satria raha omentsika ny toerana voalohany Izy, dia hipololotra avy ao am-pontsika ny vavaka am-paharetana izay tsy maintsy ataontsika, araka ny nandidian’i Jesoa antsika (Lk 18, 1). Raha velomintsika sy kolokolointsika ao am-pontsika izany fitokisana ny herin'Andriamanitra izany dia ho zary Famonjena ho antsika ny fiavian'ny Zanak'olona, satria ny "Finoantsika no hamonjeny antsika".
[1] Mazàna manko, ataon’ny olona ho Fitaovana Andriamanitra (Bouche-trou) ka rehefa afa-nenina ny fahefan’olombelona (fahaizana, vola aman-karena…) vao mitodi-doha any amin’ilay Andriamanitra fihononana : tsy fitokiana izay fa fialana nenina!
[2] 21 oktobra 2007 : andro faha-81 ho an’ny misiona eran-tany :”Ny fiangonana manontolo ho an’izao tontolo izao” (jereo eto ny hafatry ny Papa)
[3] Raha jerena ara-bakiteny ny hoe Aarona sy Hora dia midika “toerana ambony” sy “lavaka, zohy” dia mampahatsiaro ny tenin’ny Eveka iray, Tonino Bello hoe : “Ny fahafaham-po ho anay mpitoriteny dia ny fahatsapan’ny olona fa olombelona izahay” (L’elogio più bello che la gente può fare di noi è dire : è un prete umano”) : ny maha-olombelona (hery sy kilema // Aarona sy Hora) no nentin’i Moizy nivavaka, ary ny fahalemeny tsy nanafoana ny herin’ny fivavahany. Ilaina kosa anefa ny fanohanan’ny mpiara-monina mba haharetana amin’ny fivavahana.
[4] orator sit orator, antequam dictor izay mpitory dia tokony ho mpivavaka ihany koa (dikan’ny orator avokoa manko ny hoe mpitoriteny sy ny hoe fivavahana)