Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
Derao ny Tompo, ilay manandratra ny Mahantra avy ao an-jezika! Izany no Fiverenan'ny Salamo 112 setrin'ny Vakiteny, manambara indrindra ny fitiavana mameno ny fon'ilay Andriamanitra, maniry ny hiadanan'ny olombelona rehetra [1].
Mihaino ny mahantra Andriamanitra ary tsy manadino ny tarainany (Vakiteny I) ... kanefa mandrapahoviana no hijanonan'izy ireo ho voahosihosy amin'ny zo aman-kasiny? Ambaran'i Jesoa amintsika androany (vakio ny Lioka 16, 1-13) ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra. Lazainy fa harena tsy marina [2] (sandoka) ny haren'ny tany, ary ambarany fa tsy antsika akory aza (and.12) [3] ka tokony hotantanana am-pahamalinana, ary hararaotina mba hahazoana sakaiza, rehefa ho avy ny andro izay haharerahana, [4] ka tsy hahafahana mampiasa ireo harena ireo intsony, satria ny ain'ny olona tsy miankina main'ny haben'izay ananay (Lk 12, 15).
Inona tokoa moa ny soa ho azon'ny olona raha manana izao harena rehetra izao izy mba holovain'ny hafa rehefa miala ety? Mampandinika ahy ny tenin'i olontsambatra hoe : "Izay tsy ilaiko dia mavesatra amiko, ka omeko ny mahantra"... Firy amintsika no mahafoy izay tsy ilainy mba hanasoavana ny hafa? Angamba mety hanamarin-tena hoe mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika!
Ao amin'ny fampianarany (GS 69) dia milaza ny Fiangonana hoe : aoka tsy amin'ny ambim-bava fotsiny no hanampiana ny mahantra. Mitaky fahafoizana araka izany ny asa fanasoavana. Tamin'ny alahady heriny isika nandinika ilay zaza nandany ny haren-dRainy tamin'ny vehivavy janga sy ny filibàna... fa nahatsiaro ilay fitiavana nasehon-drainy ho an'ny mpiasa ao an-trano ka niverin-dalana. Dia aoka hotohizana ny fandinihan-tena : Mba manakory tokoa moa ny fampiasantsika ny harena nomena hotantanantsika? Hanasoavana ny hafa ve sa entina hisehosehoana sy hanjakazakana ihany, na sanatria entina hanafenana ny kileman'ny tena na ny maha-izy azy ny tena? (jereo eto).
Mila mandini-tena mandrakariva isika sao miala tsiny tsy manana raha ny amin'ny asa hanasoavana nefa miliba sy mirobaroba rehefa hiala voly sy hikoràna.
Ny tenany no natolotr'i Kristy hanavotana antsika hoy i Paoly (Vak.II) fa tsy ny vola aman-karena. Dia ho sahintsika ve ny hilaza fa hafohintsika ho Azy manontolo ny tenantsika raha toa ka ny fananana izay tsy ho entintsika hanaraka antsika rehefa hiala amin'ity fiainana ity aza tsy fointsika hanompoana azy amin'ny fanampiana ny mahantra?
Miezaha ary hamongotra ny fanosihosena ny zo maha-olona tanisain'i Amosy Mpaminany, hivavaka ho an'ny Mpitondra fanjakana, indrindra amin'izao ankatroky ny fifidianana izao, mba mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka [5]. Manana adidy handray anjara amin'ny fampivoarana ny fiaraha-monina isika, na amin'izay vavaka izay na amin'ny fanatanterahana ny asa tandrify antsika araka ny Evanjely [6] sy araka ny seha-piainana misy antsika avy.
[1] (azo jerena eto mba hahamora ny famakiana ny lahatsoratra) Tsy azo odian-tsy hita anefa ny olana sedraina mba hahitana mazava ny tena sitra-pon'Andriamanitra amin'ny fitantanana ny harena eto an-tany. 42 taona lasa izay, [7 desambra 1965, fetin'i Md Ambroise, ilay Mpapmpianatra an'i Md Augustin, nilaza fa ny zavatra ananantsika mihoatra noho izay ilaina dia izay an'ny mahantra notazonintsika... Tamin'io andro io no namoahana ny Gaudium et Spes (GS), Foto-pampianarana ara-pitondrana (Constitution pastorale) momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny] ny Fiangonana dia nahatsinjo hatrany ny fitomboan'ny olana sedrain'ny fiaraha-monina manoloana ny fihazakazaky ny fandrosoan'ny teknolojia sy ny siansa, izay mampitombo ny elanelana misy eo amin'ny mahantra sy ny Mpanankarena, kanefa manamafy kosa fa natao ho an'ny olombelona rehetra haren'ny tany (GS 69).
[2] avdiki,a = tsy ara-dalàna, an-kafetsena... ny Mammon kosa, avy amin'ny teny arameana, dia adika hoe Harena
[3] And. 12 : Raha tsy mahatoky amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay tsy anareo? Mazava fa tsy antsika ny harena, tsy tompony isika fa mpamerin-doha. Tsy midika anefa izany fa hoe tsy araka ny toe-tsaina kristianina ny tombam-panana faritan'ny lalàna (droit de propriété). Ho an'izay mandàla ny maha-kristianina azy dia ezaka atao mandrakariva ny tsy hampiraikitra ny fo amin'ny haren'ny tany. Tsy hoe dualisme hampifanoherana ny vola sy Andriamanitra anefa izany, ka hanao ohatra ny vazivazy hoe " tsy misy afaka hanompo Tompo roa no atao hiran'ny rakitra ka sady mitaty ihany no milaza hoe aleo ho anay ny vola dia hoento ho anare Andriamanitra! Tsy azo adinoina ny tenin'i Tacite (55-120?) hoe : "Matoa mitombo ny lalàna, midika izany fa miha-be ny zavatra tsy mandeha", ary nambaran'i Md Paoly fa tsy ny fanarahan-dalàna no hanamarinana antsika fa ny Finoana izay ambony noho ny lalàna : "hanaraka ny lalàna am-pitiavana mba hahatonga ny fitiavana ho lalàna". Ny vola aman-karena dia fitaovana nomena antsika hahafahana miaina amin'ny maha-isika antsika.
Raha tsy antsika io harena io, na dia misoratra amintsika aza, inona ary no antsika? Ny maha-isika antsika : olombelona nohariana mitovy endrika amin'Andriamanitra, kanefa tsy ho feno fatra izany, hoy i Md Joany (1Jn 3, 2) - na azo jerena koa ny 1Kor 13, 12 - raha tsy any amin'ilay mifanatri-tava amin'Andriamanitra. Ny fahamalinana amin'ny fampiasana ny harena araka izany dia manampy antsika hahatsiaro mandrakariva ny tenin'i Jesoa hoe : Sarotra ho an'ny Mpanan-karena ny miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra (Lk 18, 24-27).
[4] Luke 16:9 Kai. evgw. u`mi/n legw e`autoi/j poihsate fi,louj evk tou/ mamwna/ th/j avdiki,aj( i[na o[tan evkli,ph| de,xwntai u`ma/j eivj ta.j aivwni,ouj skhna,jÅ Raha adika ara-bakiteny io andininy io dia hoe : "aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin'ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (evkliph| = eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo.
[5] Ireo ny tanjona efatra tokony ho kendren'ny fitondram-panjakana (Jereo GS 73) : Fiadanana azo avy amin'ny fampivoarana ny maha-izy azy ny tsirairay, Fandriam-pahalemana amin'ny fanamafisana ny rafitra hiarovana ny aina sy ny fananany; Fanajana an'Andriamanitra (eusebia) manambara ny fahafahana (liberté religieuse = faratampon'ny liberté d'opinion) hahafahan'ny olona maneho ny tena maha-izy azy sy ny heviny; fahamaotonana (semnotes) : ny fivoaran'ny olona amin'ny maha-olona azy, ka mahatonga azy ho mendi-kaja. Ny roa voalohany maneho ny fivoaran'ny olombelona rehetra (tout homme= soa iombonana), ny roa faharoa kosa fivoaran'ny olona manontolo (tout l'homme=fiarovana ny zo maha-olona).