Raiamandreny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra.
Ambaran’ny Vakiteny amintsika anio ny halehibeazan’ny famindram-pon’Andriamanitra , indrindra amin’ny fihainoana ireo fanoharana telo nataon’i Jesoa hampahafantatra antsika ny halalin’ny famindram-pon’Andriamanitra (Lioka 15).
Raha niara-nikorana tamin’ny Mpanota i Jesoa dia nimonjomonjo ny Mpanora-dalàna. Ny antony? Dia ho sanatria ve matahotra sao hifindran’ny toetra ratsin’izy ireo i Jesoa? Io fimonjomonjoan’ny Farizianina io, izay mbola namafisin’i Jesoa indray rehefa nilaza ny toetran’ilay Zoky tezitra noho ny fiverenan’ny zandriny (and.28) dia hitantsika matetika eo amin’ny Fiaraha-monina. Tiantsika ho antsika irery Andriamanitra, tiantsika ho antsika irery ny famonjena, ka indraindray aza mahavita mialona ny hafa satria “sahy” manao fahotana izy.[1]
Ambaran’ny vakiteny voalohany anefa (Eks 32) fa na ampanantenain’Andriamanitra ny soa rehetra toa an’i Moizy aza isika dia rariny ny hangatahana fifonana ho an’ny hafa. Ny tena fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy mihanona amin’ny soa ho an’ny tena fotsiny fa ho an’ny hafa koa.
Jereo ohatra ilay zanaka mpandany : tsy ny fitiavan’ny rainy azy loatra no tsaroany, fa ny fitiavana asehon’ny rainy ho an’ny mpiasa ao an-trano (and. 17) : “firifiry akory moa ny Mpikaraman’i Dada no mihinan-kanim-be!” Mankahehry antsika izany raha ao anatin’ny fijaliana sy ny fahasahiranana isika, na tsy afaka hitanisa ny soa azon’ny tena avy amin’Andriamanitra, mahatsiaro fa Fitiavana Izy ka manome ny soa ho an’ny hafa koa.
Tian’i Jesoa asiana tsindri-peo manokana koa ilay fitiavana itiavan’Andriamanitra ny isam-batan’olona. Tsy hoe isika miaraka nohitiavany antsika fa amin’ny maha-tsinontsinona antsika tsirairay avy. Mazava izany rehefa dinihintsika ny ondry iray hamelana ny 99 ao am-bala, ny drakma iray hanakorontanana ny trano manontolo mba hizahana azy. Dia ariary amin’ny ariary zato ve no hiverenako hotadiavina any an-tsena! Fahaverezana zavatra madinika nefa tsy atao ambanin-javatra ny fitadiavana azy no anehoan’i Jesoa ny fitiavan’Andriamanitra Antsika.
Mahatsapa izany fitiavana izany isika no afaka milaza toa an’i Paoly (Vak II) : tsy ho menatra ny fahotana vita satria rehefa henika ny famindrampon’Andriamanitra ka nahatsapa ny fitiavany[2] dia latsa-panenenana tanteraka (Sal 51 setriny) ary niezaka ny hiova famindra mba hahatoky amin’izay fandraharahana nankinina aminy.
Tsy mamporisika antsika hilomano ao anatin’ny fahotana araka izany ny maha-mpamindra fo an’Andriamanitra fa manampy antsika kosa hahatsapa ny fitiavany, ka tsy hahamenatra antsika hiverina ao an-tranony, eny fa na dia hiharan’ny hatezeran’ny zoky mandrakariva aza…
Mampandinika antsika mpino koa moa izany sao sanatria isika ilay zoky tsy niala an-tranon-dray nefa koa mibahana na misakana ireo zandry te-hiverina! Ny Famindram-pony anie tsy hotazonintsika ho antsika samirery…
[1] Mila mandini-tena ihany koa isika rehefa mahita ny hafa mikiribiby amin’ny fahazaran-dratsiny, satria mety hitranga ny hoe tsy ny fitiavana an’Andriamanitra no antony tsy hanotana fa noho ny tahotra ny olombelona, dingana izay tsy maintsy hioharana.
[2] Toy ilay zaza mpandany koa