“Raiso ny hazofijaliana dia izory izay nodiaviko” (Lk 14, 25-33)
Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa. Ambarany amintsika androany ny safidy miandry izay te-hanara-dia azy : “izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho Mpianatro” (and. 27).
Fa inona ny hazofijaliana tsy maintsy zakaintsika? Ary ahoana no hahalalantsika ny
lalana hizoran’i Kristy?
Ireo
nanaraka an’i Jesoa tamin’izany andro izany dia voatery nisaraka tamin’ny
fianakaviany, voatery mankahala ny rainy, ny reniny, ny rahalahy sy anabavy,
ary hatramin’ny ainy aza, satria noheverina ho “sekta” ny fanarahana an’i Jesoa
ka mazava loatra ireo nanaraka azy dia voaenjika niaraka taminy, ka mety hanefa
hatramin’ny aina.
Ankehitriny
kosa dia tsy toy izany, tsy voatery hifanohitra ny mpianaka mba ho tonga
kristianina, “samy manao izay tiany”, tsy hifanerena ny finoana. Ny tsy maintsy
hitandremana aza dia satria ny maha-kristianina indray no lasa voninahitra eo
amin’ny fiaraha-monina ka misy ny manao izany ho fitaovana hivelomana na
hahazoana voninahitra bebe kokoa.
Ho an’izay
tena mpianatr’i Kristy anefa, tsy maintsy misy “safidy” atao ao : hihaina araka
ny Evanjely. Tsy ny anarana no maha-kristianina fa io safidy io, safidy izay
natomboka tamin’ny Batemy : fandavana an’i
Satana sy ny fanangoleny rehetra mba hinoana an’Andriamanitra tokana olona telo.
Tsy mora izany, ary misy hazofijaliana tsy maintsy zakaina ao.
Tsy
sanatria tsy akory isika no handeha hitady fijaliana na sanatria i Kristy no
faly amin’ny hijaliantsika. Tsy azo adino fa ny hazofijaliana dia famantarana
ny ady atao amin’ny tsy rariny, famantarana ny fahavononana hiharitra hatramin’ny
fahafatesana mba hanambara ny marina, mba hiharo ny marina ary mba hanehoana ny
fara-fitiavana.
Voaantso
hanaraka izany dian’i Kristy izany ny Mpianany hany ka mipetraka aloha
mandinika. Dia samy mandinika isika, ary samy mahatsapa fa mbola lavitra izany
maha-Mpianatr’i Kristy antsika izany. Dia hihemotra sy hiverin-dalana ve sa
hotohizana ihany ny maha-kristianina anarany fotsiny, na dia ho fisehoana
ivelany ihany aza?
Tsy
misy mahalala ny hevitr’Andriamanitra, (Vak.I) indrindra
rehefa mifatotra noho ny Evanjely isika (Vak II) ka
maniry ny fiadanan’ny ratsy fanahy (sal 73) ! Ny fahatsapana
izay fahalemena izay (Sal 89
setriny) sy ny fahatsapana ny fahalementsika (fanetren-tena[1])
no manosika antsika hanaraka marina an’i Kristy ka nahatsiaro mandrakariva ny
teniny hoe : “Raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jn 15, 5b). Dia izay no
hiandrandrantsika mandrakariva ny fahasoavany, hahatsapantsika fa eo
anivontsika izy, ka mamindra fo sy miantra. Izy ilay miandry ny fiverenan’ny
Zaza Mpandany sy mitondra eo an-tsorony ny ondry nania.
Tsy
hatahotra ary isika ny hanamafy ny maha-mpianany antsika, handini-tena
mandrakariva amin’ny maha-mpianany antsika, ka hanitsy izay mety ho faniriana
sy tombontsoa tsy mifanaraka amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy. Tsy ny vola
na ny voninahitra na ny sakaiza (fianakaviana) no tanjona, fa ny fampanjakana
ny fahamarianana sy ny fitiavana, eny fa na dia hiafara amin’ny famoizana ny
aina aza izany.
Dia
ventsoy mangina ao am-po ilay hira hoe : “O ry Jesoa Kristy Tompo! Arahiko
ianao na aiza na aiza”.