“Izay manetry tena no hasandratra.” Lalana mankamin’ny fahamboniana araka izany ny fanetren-tena. Lalana mitondra mankamin’ny voninahitra[1]. Mba hahazoantsika tsara ny fampianaran’ny Evanjely androany dia tsara ny manoritroritra ny fampianaran’i Jesoa, mampiditra indrindra ny maha-sarobidy ny Famindrampon’Andriamanitra[2]. Alahady roa lasa izay, nilaza tamintsika ny faniriany ny hirehetan’ny afom-pitiavany izy (Lk 12), afo izay manery antsika hiditra amin’ny varavarana ety (Lk 13). Izy no varavarana, Izy no lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena. Miara-monina amintsika Izy, miara-misakafo amintsika ka mandinika ny ataontsika.
Ny Evanjely anio dia manamafy io Fiarahan’i Kristy monina amintsika io. Mampianatra antsika ny tokony hatao raha mahazo fanasana isika. Tsy azo hadinoina fa ny Fanasana no maha-Fiangonana ny Fiangonana. Eglizy : Voaantso hiombona ao amin’i Kristy ary voaantso hizotra ny lalam-pahamasinana. Eo am-pamaliana izany antso izany dia tsy sanatria fifaninanana ho lehibe sy ho hitan’ny olona no hiezahana, fa ny mba hapetraky ny mpanasa amin’ny toerana tokony hisy ny tena. Izany no fanentren-tena : ny fiaikena ny maha-izy azy ny olona (ny fahaizany sy ny mety ho fahalemeny).
Azo jerena ny foto-teny humus[3] mba azontsika bebe kokoa ny atao hoe : fanetren-tena : Izay manetry tena dia mahatsapa ny maha-vovoka azy ka mbola hody vovoka. Mahatsapa ny fahalemena sy ny fetra ka izay no mampisokatra amin’ny Filana ny hafa, amin’ny fahitana ny hafa. Tsy izany ihany anefa, rehefa mandray ny fako sy ny loto arian’ny olona rehetra ny tany, aorian’ny masoandro sy ny orana mifandimby dia manova ireo fako ireo ho zary zezika hampamokatra ny voly: izay fahafahana mampamokatra ny hafa izay, na dia sanatria nanariany ny malotony sy ny fakofakony aza, no mampiavaka ny mpanetry tena.
Mivavaha ary fa tsy moramora tsy akory ny hanaiky ny fetran’ny tena, vao mainka tsy mora ny miaiky ny hampamokatra ny hafa, indrindra moa fa ny hoe “arakaraka ny hisondrotana no hanetren-tena” (Vak.I).
Tsy izay fanetren-tena izay ihany anefa no tokony himasoana fa ilay fitiavana natsidiko tery am-piandohana ihany koa[4] : “raha manasa olona ianao dia aoka izay tsy hana-kavaly no hasainao. Ka raha izany ve amin’ny fanamasinana pretra na amin’ny fanamasinana eveka ireny, maninona no ny Filoham-pirenena no voaasa voalohany? Dia aiza no nasiantsika ny fampianaran’i Jesoa? Mety hilaza ianao hoe ka tsy azo raisina ara-bakiteny anie ny Tenin’Andriamanitra e. Dia ahoana ary no hampiharantsika izany?
Heveriko fa ezaka isan’andro no mandavorary ny fitiavantsika : isan’andro no hanamafisana ny faniriana ny ho masina. Isan’andro no hizahana ny endrik’i Jesoa ao amin’ny ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba… ao amin’ireo hanaovan-tsoa satria tsy mana-kavaly…
Tsy afaka ny hahita ny endrik’i Jesoa ao amin’ny hafa anefa isika raha tsy ao am-pontsika aloha no hanombohana izany fikarohana ny endriny izany. Mila havaozina mandrakariva araka izany ny maha-kristianina antsika. Mila manontany tena matetika hoe : inona no maha-kristianina ahy?
Izay endrika tiantsika manko no zahantsika amin’izay alehantsika. Raha ny voninahitra sy ny harena no endrika mahababo ny fontsika dia ho amin’izany no hanompanantsika ny fiainana manontolo. Raha toa ka i Kristy kosa sy ny ho an’ny fanjakany dia izay vao ho fointsika ho an’ny mahantra hatramin’ny fiainantsika manontolo aza… satria noho i Kristy sy ho an’i Kristy.
[1] Voninahitra : amin’ny teny grika doxa midika ho fanomezana toerana ambony, fiheverana ho zavatra sarobidy…fa amin’ny teny hebrio (Kav’od) milaza kosa ny lanja, ny vesatry ny zavatra iray : ny maha-izy azy ny zavatra iray.
[2] Ny Evanjely araka ny nosoratan’i Lioka moa lazaina hoe Evanjelin’ny Famindram-po (Jereo Lioka 15 = evanjely amin’ny alahady faha-24)
[3] Humus moa efa dikan-teny latinina (midika hoe tanny) fa ny teny grika milaza tapeinoo : midina mitovy tantana amin’ny tany
[4] Ny Evanjely androany moa voalaza fa Lioka 14, 1.7-14 nefa ny ao amin’ny boky vakiteny nijanona amin’ny and.11. Tsy hita ao amin’ny boky vakiteny araka izany ny and. 12-14 ary mety tsy voavaky ao am-piangonana.